airtel

Politique

28-mars-2023

Politique

Fanjakana tia tena Ny fanambakana vahoaka no lehibe indrindra…

Sample post image

Simba ny lalam-pirenena manerana ny nosy, fa dia ny lalana hitamaso sy an-tanan-dehibe ihany no mody tapitapenana atao vahaolana “tip top”.

28-mars-2023

Ny talaky maso ireny, fa ny ankoatra izay, mitaraina ny olona noho ny fatiantoka ara-potoana, ara-pitaovana, ara-bola vokatry ny fahapotehan-dàlana manerana ny Nosy, toa tsy hita.
FATIANTOKA ISAM-BATAN’OLONA
Raha miasa 8 ora isan’andro ny olona iray, manome 160 ora isam-bolana, ary raha raisina amin’ny karama farany ambany (SMIG) izany dia 1562.5Ar isan’ora ny karama. Raha làlana natao adin’ny dimy ohatra teo aloha ny RN2 dia tafakatra adin’ny 13, ohatra, dia very adin’ny 8 misanda 12 500Ar izany ny olona iray. Ny resaka famokarana izay, fa ny ara-tsolika ho an’ny fiara mbola zava-doza, hany ka miakatra ny saran-dàlana na ho an’ny olona na entana, miakatra ho azy ny vidim-piainana satria any no hanentsenana ny fatiantoka,… Tsy misy drafitra mazava intsony ny fanamboaran-dàlana, ny orinasa madinika betsaka no tsy sahy satria tsy omen’ny Fanjakana ny volany na mitarazoka be. Ny orinasa goavana iraisam-pirenena toa tsy miditra firy amin’ny asa tsy manara-penitra, fa amin’ireo asa vatsian’ny sehatra iraisam-pirenena tahaka ny Banky Iraisam-pirenena sy Vondrona Eoropeanina ihany no tena manao kanefa tsy dia misy izay asa izay ka isan’ny antony ny tsy fahatokisana ny mpitondra, ary maro ihany koa ny fepetra vao tena mivoaka ny vola (déblocage). Io no heverina fa mahatonga ny fampanantenana maro tsy misy tokontany toy ny fanamboarana RN13 na efa tany amin’ny 2021 aza no nilazana fa tsy hanao politika intsony raha tsy vita io. Izao ny nampanantenaina tsy vita, ny mba efa vitan’ny hafa teo aloha potika noho ny tsy firaharahiana.
AKAIKY PROPAGANDY VAO MODY MIKOFOKOFOKA
Aty amin’ny taom-pifidianana vao milaza fa hoe atao laharam-pahamehana ny lalana atsy sy eroa… Fa inona fotsiny no natao izany nandritra ny 4 taona ? Mody hatsaraina fa ho avy ny 29 martsa dia hanao kabary politika sy hiezaka hambabo ny fon’ny olona indray hoe : mariky ny fitiavan-tanindrazana izao, tsy manadino anareo izahay, renay ny fitarainanareo, dia hidera tena fa mahavita azy. Ahoana moa ireo mpandraharaha tsy voaloa vola nanamboatra sy nikojakoja lalana, kanefa avy eo miseho amin’ny vaovao fa notolorana fiara 4x4 ireo sefo distrika sy Prefe… Vola avy aiza io sa mbola tohin’ny mikimaky samihafa? Toa tsy misy resaka an’izay anaty tetibolam-panjakana? Sao dia mba ireo fiara azo tamin’ny fiatrehana ny Coronavirus indray ireo no nolokoina saingy mbola hamoahana volam-panjakana? Ireo mpikojakoja lalana ireo anefa nisy nidram-bola tamin’ny banky fa hoe hanao ny asan’ny fanjakana ; tsy omena ny volany, ambara izao fialana bala rehetra izao. Misy marary, efa nisy namoy ny ainy mihitsy. Fanjakana tsy mba mitsinjo ny hafa fa dia izay maha diavolana ny sainy no ataony. Tsy efa kajikajy propagandy ve izany, ary ity teleferika hihazakazahana tampoka eo 9 volana mialohan’ny fifidianana, io ve no heverina fa hitondra vahaolana amin’ny fahasahiranan’ny vahoaka eto an-drenivohitra amin’ny fifamoivoizana. Saran-dalana Taxibe 600 ka hatramin’ny 1000 Ar aza efa manahirana, dia teleferika 4000 Ar indray mandeha mitaingina ve mba ahoana moa izany ? Fitiavan-tena tsy misy ohatr’izany intsony fa dia ny an’ny tena sy izay mety akaiky ny tena ihany no jerena fa ny valalabemandry omena ny fanapena-maso sy ny tolotolotra isaky ny misy fahasahiranana fotsiny. Tsy misy vahaolana mahomby maharitra, fa fisehosehoana no betsaka.
Toky R
 

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Mitohy hatrany ny fitsidihana sekoly eto Fianarantsoa sy ny manodidina, tanterahin'i Docteur Marie Michelle

Card image cap
19-avril-2024

Nolaniana ny didim-panjakana laharana faha 2024-959 manova ny andininy sasany

Card image cap
19-avril-2024

Tontosa omaly alakamisy 18 aprily 2024 tao amin'ny Lapan’ny Antenimierampirenena ny

Card image cap
19-avril-2024

Hita ho mbola niara-nitokan-javatra tamin’ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina,

Card image cap
18-avril-2024

Kandida avy amin’ny antoko AREMA miisa 25 no tsy afaka mandray anajara amin’ny fifidianana ho

Card image cap
18-avril-2024

Nanahirana ny nikarakara ny taratasy filatsahan-kofidiana solombavambahoaka tamin’ity,

Card image cap