airtel

Politique

25-août-2023

Fanjakana tsy mahavaha olana

Nangotraka ny grevin’Ankatso, nandeha ny hazalambo sy daroka

Sample post image

Nangotraka indray ny toe-draharaha teny amin’ny oniversiten’Antananarivo omaly alakamisy 24 aogositra 2023.

25-août-2023

Tapitra ny fe-potoana 72ora nomen’ireo mpianatra ny manam-pahefana mahefa hamana ny olana samihafa miteraka fikatsoan’ny fampianarana eny amin’ny Oniversiten’Antananarivo. Mitaky ny hitohizan’ny fampianarana ireo mpianatra, ary mitaky ihany koa ny fampiakarana ho 100% ny vatsim-pianarana amin’ny taom-pianarana manaraka eo. Nialohan’izao dia efa nilaza izy ireo, fa nandeha ny fifampiresahana samihafa, saingy tsy nahitam-bokany! Vokany, teny any an-dalambe indray no niafaran’ny fitakiana rehefa tsy vita teny ambony latabatra. Tahaka ny mahazatra, nidina teny ambanin’ny fiantsonan’ny taksibe 119, nilanja sora-baventy, nakanan-dàlana tamin’ny alalan’ny fandorana kodiarana. Naverin’izy ireo ny endriky ny fitakiana teny amin’ny Politeknika Vontovorona volana vitsivitsy lasa izay, ka nitondran’izy ireo ireny “sonorisation mobile” ireny, nampanenoana mafy ny hira tamin’ny propagandin’ny Filoha ankehitriny Andry Rajoelina, saingy novain’izy ireo ny tonony ka lasa hoe: “Andry Rajoelina aaaa! M…… eee!”. Andaniny, nangotraka ihany koa ny fandravana ny grevy, nirefodrefotra ny baomba mandatsa-dranomaso, nafotaka ny fanenjehana ireo mpianatra satria hatrany anaty kirihitr’ala, niditra tany amin’ny oniversite, ary lasan’ny mpitandro filaminana hatramin’ilay fanamafisam-peo. Nisy tena nanaovana habibiana tsy an-kitsitsy satria tena vono sy daroka tambabe no nataon’ireo mpitandro filaminana, niaraka tamin’ny teny ratsy variraraka,… Nampidirina tany hatramin’ny faritry ny oniversite ny fiaran’ny mpitandro filaminana nentina nanenjehana sy nanapariahana ireo mpianatra satria nesorin’ny Filohan’ny Oniversite Pr Mamy Ravelomanana vonjimaika “franchise universitaire” izay nambara fa mba hiantohan’ny mpitandro filaminana ny filaminan’ny olona sy ny fananany, ary hiarovana ireo atletan’ny lalaon’ny Nosy izay manana sata tahaka ny diplaomaty nanao fanazaran-tena teo anelanelan’ny tamin’ny 11h35 hatramin’ny 15h35. Tafakatra 8 noho izany ireo mpianatra nosamborina.
TSY MAHAVAHA OLANA, MAMPIASA HERY, MAMPIHOROHO…
Isan’ny mampikatso ny fianarana moa ny fitokanan’ny mpampianatra. Efa nilaza moa ny SECES fa mizotra makany amin’ny taona fotsy na “année blanche” ny eny Ankatso rehefa tsy hamaha olana ny Fanjakana. Zo sy tambin-karama tahaka ny ora fanampiny hatramin’ny 2019 nno mbola tsy azo. Efa tonga hatrany amin’ny fandefasana taratasy tamin’ny Filoham-pirenena, saingy tsy nisy akony hatreto, ka asa indray izay ho fanapahan-kevitry ny SECES Antananarivo izay hanao fivoriam-be anio? Miharihary fa hamaivanina tanteraka ny tontolon’ny fampianarana, tsy homena ny hasiny ny mpampianatra, ka ny mpianatra no lasa sorona. Mpianatra mitaky ny zony hianatra ireo, izay midika fa ny fandoavana ny volan’ny mpampianatra no vahaolana. Fampiasan-kery no haroson’ny fitondrana. Holazaina indray avy eo fa misy ambadika politika sy fanakorontanana? Ho tonga amin’izao ve raha novahana ny olana? Fomba fiasa sy fomba fiady amin’ny alalan’ny fampiasan-kery na “resolution par la force” foana? Mahafaly ve ny fampiadiana ny mpianatra sy ny mpitandro filaminana noho ny tsy fahaiza-mitantana?
Toky R
 

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Notanterahina omaly teny amin'ny Gara Soarano ny lanonana politika fametrahana samboady ireo

Card image cap
24-juil-2024

Mitady minisitra volamena tonga dia tsy kosehina intsony fa avy dia mitondra fahazavana

Card image cap
24-juil-2024

Tsy mahafaty ny mahatsikaiky! na koa hoe «Le ridicule ne tue pas!»,

Card image cap
24-juil-2024

Aiza sy nankaiza ny Filohan’ny Delegasionina manokan’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra Atoa Ramanambitana Richard ?

Card image cap
24-juil-2024

Efa mitovy salan’isa amin’ireo tantsaha mpamokatra eto amintsika izany hoe :

Card image cap
24-juil-2024

Mbola vitsy ireo vehivavy misahana andraikitra ambony na miantsehatra eo amin’ny

Card image cap