airtel

Politique

04-mai-2022

Politique

Fanjakana tsy misy fitoniana Misy mitady hanongana indray ny Praiminisitra

Sample post image

Mafampana ny toe-draharaha politika miainga etsy amin’ny Antenimieram-pirenena, izay niditra amin’ny fivoriana ara-potoana nanomboka omaly 03 mey 2022.

04-mai-2022

Ankoatra ny ho fandinihana arahi-panintsiana ny volavolan-dalàna mikasika ny tetibolam-panjakana, manangasanga any indray ny fitsipaham-pitokisana sy fanonganana birao maharitra. Tsy nandiso ny fisian’ny fikasana hanao fitsipaham-pitokisana ny Praiminisitra sy ny fikasana handrodana ny birao mahaitr’io andrim-panjakana io ny Filohan’ny Antenimieram-pirenena Rtoa Christine Razanamahasoa nandritra ny fanokafana omaly, izay natrehin’ny Praiminisitra sy ny mpikamban’ny governemanta sasany. «Misy ireo fanehoan-kevitra etsy sy eroa izay mitady hanohintohina ny fahamarinan-toeran’ny Fanjakana. Mila dinihina sao ho zava-doza vao mainka hanampy trotraka ny fahavoazan’ny firenena. Aleo mifanantona foana aloha dia miresaka mialohan’ny handraisana fanapahan-kevitra. Re tokoa fa hiroso amin’izao, hiroso amin’izatsy isika amin’ity fotoam-pivoriana ity. Aoka hampiseho firaisan-kiana sy firaisam-po hatrany”, hoy ny ampahan-tenin-dRtoa Christine Razanamahasoa. Naneho io filohana andrim-panjakana io, fa mila mifampiresaka, mifampihaino sy mifanitsy ireo mpisehatra politika avy amin'ny vondron'antoko misy ireo depiote, ka nilazany fa toko tapaka, vilany mitongilana ary izay tsy mety arenina amin'ny fifampiresahana. Nanao antso i Christine Razanamahasoa fa ny fifidianana ihany no vahaolana ara-demokratika, ary miankina betsaka amin'ny maro an'isa IRD ny fandaniana atao eo anivon’io andrim-panjakana tarihiny io. “May volotratra ireo filohana andrim-panjakana satria izahay dia efa manentana ny solombavambahoaka hanasonia ny fitsipaham-pitokisana. Betsaka ny manohana anay hanao izany, ary izay tsy manao sonia dia ho hitan’ny vahoaka eo hoe : iza no tsy tia tanindrazana, fa raha ny fahantran’ny vahoaka dia mandeha amin’izay io, mila havotana ny vahoaka”, hoy ny depiote iray avy amin’ny mpanohitra.
NY IRD SASANY
Fivoriana ara-potoana voalohan’ny Antenimieram-pirenena taorian'ny nanovana ny mpikamban’ny governemanta ny 16 martsa teo, dia efa mananontanona sahady ny fanozongozonana ny Praiminisitra. Nanamafy ny voalazan’ny Filohan’ny Antenimieram-pirenena moa ny Praiminisitra Ntsay Christian fa na ny fitsipaham-pitokisana ny Governemanta na ny fandrodanana ny birao maharitry ny antenimiera, dia tsy mahasoa ny vahoaka sy ny firenena amin’izao fotoana tsy maintsy hatrehina amin’ireo amabana maro sy ny vokatry ny ambana misy : rivodoza, krizy any Ukraine, ny valanaretina,… Mila marin-toerana ny fitondram-panjakana. Na handaitra na tsia ny fitsipaham-pitokisana, dia miharihary fa tsy marin-toerana hatrany ny Fanjakana sy ny governemanta. Hatrany am-boalohany no efa tsy sitraky ny IRD sasany ny Praiminisitra ankehitriny izay Lehiben’ny Fitantanan-draharaham-panjakana, ary misy olom-boafidy volomboasary efa tena sahy niteny mivantana ny tsy fahombiazan’ny governemanta, toy ny resaka ady amin’ny kolikoly. Mandindona hatrany an’ity Praiminisitra ity ny fanaisorana, saingy manana ny mpiaro azy ihany koa izy matoa tsy voahaisotra hatreto, kanefa toa manamafy ny ady mangatsiaka ao anaty Fanjakana io.
Toky R
 

 

Dans la même rubrique

23-mai-2025

Mbola vao volana mey isika izao, saingy zava-doza ny fahatapatapahan'ny herinaratra,

Card image cap
23-mai-2025

Miteraka resabe amin’izao fotoana izao ny raharaha mikasika ny ben’ny tanànan’i Talata Volonondry

Card image cap
23-mai-2025

pirenena intsony ny zava-bitan'ny governemanta!»

Card image cap
23-mai-2025

Misy zavatra hafahafa ihany amin’ny toe-draharaha politika eto amin’ny firenena tato ho ato izay.

Card image cap
23-mai-2025

Mitohy ny fihetsika hafahafa ataon'ny Filoham-pirenena izay tsapa sy tsikaritra

Card image cap
23-mai-2025

Nambara fa maro ny zavatra vita ao Nosy Be fa hapetraka ihany koa ny fanamby

Card image cap