tao amina fahitalavitra tsy miankina izay nilazany fa " Ny Fitondrana HVM izay notarihin’i Hery Rajaonarimampianina no nampiakatra sy nampidangana vidim-piainana fa tsy Andry Rajoelina ary ny fitondrana TIM notarihin’I Marc Ravalomanana no nampisy delestazy teto Madagasikara fa tsy Andry Rajoelina." Isan’ny fanontaniana apetrak’ireo mpanara-baovao moa ny hoe inona na inona avy no maridrefy hahafahan’ity mpanao politika ity milaza izany. Mba arak’ity mpanao politika ity fotsiny ve fa tato anatin’izao fitondrana izao vao nisy izany harinkarena miiba -7,1% izany teto Madagasikara? Tato anatin’izao fitondrana izao ihany koa no nahitana taham-pahantrana lalina avo indrindra hatrany amin’ny 81%, araka ny tarehimarika navoakan’ny FMI hatrany. Na atao aza hoe mitombona tokoa ary fa ireo fitondrana teo alohan’izao daholo no nahatonga ny tsy fihetezan-javatra miha lalina rehetra eto, tsy anjaran’ny fitondrana mijoro ankehitriny ve izany no mamaha ny olana napetrak’ireo? Tsy efa tokony ho fantany ve hoe inona avy no olana miandry azy eo nialohan’ny niakarany teo amin’ny fitondrana? Araky ny mpitondra ankehitriny sy ireo mpiaradia aminy ve ny fisian’ilay fehezanteny hoe “Fijerena lavitra no atao hoe mitantana firenena.” na “gouverner, c’est prévoir”?
J. Mirija
Mbola vao volana mey isika izao, saingy zava-doza ny fahatapatapahan'ny herinaratra,
Miteraka resabe amin’izao fotoana izao ny raharaha mikasika ny ben’ny tanànan’i Talata Volonondry
Misy zavatra hafahafa ihany amin’ny toe-draharaha politika eto amin’ny firenena tato ho ato izay.
Mitohy ny fihetsika hafahafa ataon'ny Filoham-pirenena izay tsapa sy tsikaritra
Nambara fa maro ny zavatra vita ao Nosy Be fa hapetraka ihany koa ny fanamby