airtel

Politique

14-avril-2021

Politique

Fanomanana fifidianana Filohan’ny HCC Tsy raikitra ny omaly, mpikambana 2 tsy nipoitra

Sample post image

Tsy tontosa araka ny niheverana azy ny fivoriana tokony handinihana ny fifidianana izay ho Filohan’ny Fitsarana avo

14-avril-2021

 

 

 

 momba ny lalàmpanorenana na ny HCC tokony natao omaly 13 aprily. Taorian’ny fianianana natao ny 8 aprily teo, manana 8 andro eo ny HCC hanaovana ny fifidianana izay ho Filohany. Tsy tonga anefa ny zokiolona indrindra na ny “Doyen” Atoa Florent Rakotoarisoa tokony hitarika ny fivoriana. Tsy nisy ny fanazavana ofisialy mikasika ny tsy nahatongavan’ity mpitsara ambony ity, izy izay voalaza fa kandida tsara toerana hitondra ny HCC. Mbola tsy tonga namonjy ny toerany ihany koa ny mpanolontsaina ambony Atoa William Noelson, izay efa tsy tonga tamin’ny fianianana ka ara-pahasalamana no voalaza fa antony. Re moa omaly, fa mety hihemotra amin’ny 31 aprily izao indray ny fifidianana izay ho Filohan’ny HCC. Manana anjara toerana goavana, ary azo lazaina ho manao ny mafana sy ny mangatsiaka eto Madagasikara ny HCC, ka dia andrasana izay fivoaran’ny toe-draharaha etsy Ambohidahy.

Toky R

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Efa fiainana ilay miaraka amin’ny vahoaka, hoy ny kandida ho solombavambahoaka ao Manjakandriana, Dr Fidy Bariniaina.

Card image cap
25-avril-2024

Nivadika ny rasa, nanapa-kevitra ny tsy hanohana ny kandida solombavambahoaka avy amin’ny

Card image cap
25-avril-2024

Tsy hitondra fitoniana eto amin'ny firenena ny fifidianana kasaina hatao eto Madagasikara

Card image cap
25-avril-2024

Raharaha isan’ny mitana ny sain’ny maro ankehitriny ny nampidirana am-ponja an-dRtoa Ramalason Olga,

Card image cap
25-avril-2024

Mila averina ny hasin’ny fanabeazana eto Madagasikara, hoy ny antoko politika RCR-Tolona,

Card image cap
25-avril-2024

Mitohy ny fanamboarana ireo làlana mampitaraina ny vahoaka ao Ambohimanarina.

Card image cap