Midingin-drambo ny ekipan-dRajoelina ka milaza fa tokony ho izy ireo no manolotra ny anaran’ny Praiminisitra vaovao. « Tokony izahay IRAMAR no hanolotra ny Praiminisitra vaovao eo atria mbola manana ny maro an'isa eo anivon'ny Antenimierampirenena izahay. Nohamafisin'ity lehiben'ny mpanohitra ity fa tokony olona anaty vondrona IRMAR no manolotra ny anarana», hoy Milavonjy Philobert Filoha lefitra faha-7 ao amin’ny Antenimierampirenan. Milaza ity farany fa ho fanajana ny lalàmpanorenana sy ny fitsipika anatin'ny Antenimierampirenena io. « Takianay ny hanendrenay ny hanendrena praiminisitra avy amin’ny tolotra anarana omenay mba hanajana ny andininy faha-54 amin’ny lalàmpanorenana sy ny fitsipika anatin’ny antenimierampirenena. », hoy ity farany. Manizingizina izy fa mbola ny IRMAR no manana ny maro an’isa, ary tsy rava ny vondrona parlemantera. « Andininy faha-72 amin’ny lalàmpanorenana dia tsy manan-jo hiditra na hanangana vondrona parlemantera hafa intsony ireo vondrona parlemantera nisy azy». Raha ohatra misy ny tranga, ka tsy mitazona izany intsony ny IRMAR, dia misy tranga 3 hahafahana manendry. Raha misy maro an’isa na vondrona mitambatra mahazo maro an’isa mihoatra ny 50%, ny vondrona izay misy ny mpanohatra miaraka amin’ny tsy miankina dia afaka manolotra,… hoy hatrany i Milavonjy Philobert. Raha hiverenena, tao anatin’ny toe-draharaha nafana ny 10 oktobra 2025 izy izay no nitsimbadika ny rasa tao Tsimbazaza, ka nanao fitsipaham-pitokisana ny depiote, taorian’ny didy navoakan’i Andry Rajoelina izay voalaza fa efa tany am-pitsoahana nandrava ny Antenimierampirenena. Nosokajiana ho tsy manan-kery ny fandravana io andrim-panjakana io, izay tafiditra ihany koa tamin’ireo nambara fa rava nandritra ny fiakaran’ny Kolonely Randrianirina Michael sy ireo mpanolotsaina avo teny Ambohitsorohitra, saingy nambaran’ny HCC ny 14 oktobra tao anatin’ilay fanapahana laharana faha-10-HCC/D3 fa tsy afaka mifanongana ireo andrim-panjakana. Dia tafajanona teo ny antenimierampirenena sadasada efa tsy taratry ny fironan’ny vahoaka intsony. Na ireo nisitrika aza manomboka nipoitra tsikelikely, eny fa na ilay fangatahana fanonganana depiote maromaro aza toa niniana nampatoriana tsy notohizana intsony. Dia atao mahagaga ve raha miahiahy sy miampanga ny olom-pirenena fa misy ny manao fifanarahana na « deal » amin-dRajoelina na amin’ny ekipany na izy roa mitambatra? Dia io mbola manangam-bovona manao tsinontsinona mba tsy hilazana fa manompa ny vahoaka Malagasy izay nitolona sy nivarotra aina nandresena ny jadona sy ny Fanjakana mafia teto ny ekipan-dRajoelina, fa izy ireo no tokony hanolotra ny anaran’ny Praiminisitra ? Fa misy maro an’isa tena izy tokoa ve ao Tsimbazaza raha esorina ny IRMAR nivadika ho sakaizan’ny mpandresy ? Na izany aza, politika tokoa io, ka mety ho hafa ny sary anio, ary mety ho hafa ny rahampitso fa izay ilay hoe : ny ahiahy tsy hihavanana !
Toky R