airtel

Politique

13-oct-2023

Fanonganana Filohan’Andrim-panjakana

Niditra tamin’ny kopisoroka indray ny volomboasary

Sample post image

Nihazakazahana tao anatin’ny 24 ora ny fanonganana ny Filohan’ny Antenimierandoholona Atoa Herimanana

13-oct-2023

Razafimahefa. Ny takarivan’ny alarobia no namoaka fanambarana ireo loholona IRD nanenjika azy mafy sy nilaza azy ho mety tsy salama ara-tsaina, ka niantsoana ny governemanta hampiantso fivoriana tsy ara-potoana. Neken’ny governemanta avy hatrany io, ka raha toa ka afaka 48ora taorian’iny fiantsoana iny no tokony hiantso fivoriana ara-potoana ny Filohan’ny antenimierandoholona, dia natao hazakazaka narahin-tosika avy hatrany tetsy Anosikely omaly. “Tsy ara-dalàna ny fiantsoana fivoriana ara-potoana satria tokony ho ny parlemanta dia ny roa tonta no nantsoina kanefa tsy notanterahina. Antony goavana, misy tsy fanajana ny lalàmpanorenana na tsy fanarahan-dalàna, tsy hitako anefa izany kanefa tsy voalaza ao anatin’ny fandaharam-potoana, lazaina tsy fahasalamana ara-tsaina no antony ka tsy aleo ve ny taratasy ara-pahasalamana no hanamarina izany. Tsy ara-dalàna, ka aoka ny fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana no hitsara azy, fa ny antsika ny zavatra tan-dalàna sy manara-dalàna ihany”, hoy Atoa Herimanana Razafimahefa, izay naneho fa hitory ireo milaza azy ho marary saina. Nasaina nametraka ny samboadin’ny loholona Ravalomanana Richard, saingy nahitsy nilaza fa “ny olona asainareo hametrahako samboady dia mandrahona ahy, mandrahona hanala ny mpitandro filaminana miaro ahy. Aminay dia rava ny fihavanana ka tsy hametraka izany ny tenako, ary tsy afaka hametraka an’izany ny tenako, fa ataovy apetak’izay filohanareo amin’ny herinandro”, hoy izy. Nilaza ho tsy mamaly ny fanaratsiana, saingy nanamafy fa antso fanatsaharana ny herisetra no nataony satria misy zana-bahoaka maratra, misy kandida maratra, kanefa ao anatin’ny iray volana no hanao fifidianana. Taorian’ny nilazany fa misy ny tsy fanarahan-dalàna dia notaperiny ny fivoriana. Ity farany izay nilaza fa tsy izy no nanao ny hafatra tao amin’ny tambajotran-tserasera niantso ny tafika, fianakaviam-be iraisam-pirenena, vahoaka hijoro amin’ny fanavotam-pirenena izay ady iombonana. Niezaka nanohy izany tamin’ny fametrahana samboady sy ny latsa-bato fanonganana anefa ny loholona IRD, ka loholona 15 no nandany ny fanongana. Hanamarina an’io ve ny HCC? Hifarana eo ve ny ampamoakan’Atoa Herimanana Razafimahefa? Hanamarina ny fanonganana azy tsy ho Filohana andrim-panjakana tao anaty fivoriana tsy ara-potoana ve ny HCC? Naongana tsy ho anatin’ny Vondrona parlemantera IRD ka hanaiky izany ny HCC sa ho didy fakan-tahaka ny “jurisprudence” ny fitsipahana ny fanonganan’ny TIM ny Depiote Andriamanjato Liantsoa Bina? Hifidy filohan’ny antenimierandoholona vaovao ka hiverina amin’ny fanapahan-keviny ny HCC ka io indray no hatao Filoham-pirenena mpisolo toerana? Sao dia mba sinema politika avo lenta hoenti-mampandry adrisa ara-politika no miseho?
Toky R
 

Dans la même rubrique

28-mai-2025

hahantra fadiranovana sy tsy handroso izany fa tena miankina amin’ny safidy sy fanapahan-kevitra

Card image cap
28-mai-2025

Manoloana izao fahasahiranam-be mahazo ny firenena sy ny vahoaka izao,

Card image cap
28-mai-2025

Mena ny tondro rehetra ary ambony risika mety hisian’ny fipoahana ara-politika eto vokatry ny krizy amin’ny

Card image cap
28-mai-2025

Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy tao amin’ny foiben’ny Dubaï Chambers ny

Card image cap
28-mai-2025

Miantoka ny fandehanan’ny fiainan’ny mponina eny ifotony ny

Card image cap
28-mai-2025

Nanatanteraka fitsidihana ara-pomba ofisialy tao amin’ny tanànan’i Morondava ny

Card image cap