airtel

Politique

03-juil-2023

Politique

Fanonganana tao Tsimbazaza Namono biby tsy nahafaty ny volomboasary !

Sample post image

Nitsefotra ny fanonganana ireo mpikamban’ny Birao maharitry ny antenimierampirenena.

03-juil-2023

Fanonganana vaovao mihitsy io rehefa nanatsoaka ny dingana nataony ireo depiote nanao izany tamin’ny voalohany izay notarihin’Atoa Marco Tsaradia. Nesorina tao anaty lisitry ny haongana ny anaran’ny Kestora I Atoa Jean Michel Henri, fa notazonina kosa ny Filoha lefitra avy amin’ny Faritanin’I Fianarantsoa Atoa Brunelle Razafitsiandraofa, ny Filoha lefitra avy amin’ny faritanin’I Toliara Atoa Jean Jacques Rabenirina. Nampidirina kosa ny anaran’ny Filohan’ny vaomieran’ny harena an-kibon’ny tany Atoa Mohammad Ahmad. Natao ady alina ny raharaham-panonganana ny zoma 30 jona lasa teo, rehefa nandeha ny adihevitra nandritra ny tontolo andro. Raha vitsy, manodidina ny 30 ka hatramin’ny 50 ireo solombavambahoaka isaky ny fivoriana niainga tany amin’ny 02 may, saingy tonga maro, nihoatra ny antsasa-manila rehefa hiditra tamin’ny raharaha fanonganana. 124 no nandatsa-bato, ka 90 no nanao latsa-bato mivantana, ary ny 34 kosa nampanao latsa-bato tamin’ny alalan’ny fanendrena mpisolo tena na “vote par procuration”. Nitsefotra anefa ny fanonganana ireo Birao maharitra satria tsy tratra ny 2/3 izay nila depiote 101 teo. Ho an’I Brunelle Razafitsiandraofa, 78 no nanao “Eny” nanaiky ny fanonganana azy, ary 38 nanao “tsia”, 88-31 kosa ny an’I Jean Jacques Rabenirina, ary 89-31 ny an’I Mamy Rabenirina. Niongana kosa Atoa Mohammad Ahmad satria ny antsasa-manila dia ampy nanaisorana azy tsy ho Filoham-baomiera, 91 nanao “eny”, ary 24 nanao “tsia” ho azy, ary nofidiana avy hatrany ny solony dia ny depioten’I Sainte Marie Atoa Ravonty Tam Téon Luc no kandida tokana. Kenda ny fitondrana Rajoelina satria heverina fa toromarika ara-politika avy any ambony ny fanonganana ireo birao maharitra, izay na avy amin’ny IRD aza ny roa, dia efa nanatsikafona ny tsy fanjarian’ny fitondrana. Nandeha anefa ny feo, fa nisy resaka malety hatrany amin’ny 50 tapitrisa Ar isaky ny depiote ka tao amin’ny Hotely lehibe iray tao Antaninarenina no voalaza fa nizarana izany. Mampahatsiahy ny tranga teny amin’ny Paon d’Or tamin’ny andron’ny HVM raha tena nisy tokoa! Manomboka tsy mety intsony ny kajy politika, ary mety hifototra amin’ny volomboasary io satria namono biby tsy nahafaty. Manana ny toerany ao amin’ny Faritanin’I Fianarantsoa izany Brunelle Razafitsiandraofa izany, ary mbola sarotra hozongozonina. Na ireo IRD aza nisy nanao « tsia » tamin’ny fanonganana azy, rehefa zohiana. Tsy tongatonga ho azy ihany koa no naha Filoha lefitry ny faritanin’I Toliara an’I Jean Jacques Rabenirina,… Vao tany amin’ny sonia 105 fitsipaham-pitokisana ny governemanta dia efa mitsingilaila fa tsy marin-toerana intsony ny Fitondrana Rajoelina kanefa vao mainka nandrehitra afo,... Asa izay hiafarany ?
Toky R
 

Dans la même rubrique

23-mai-2025

Mbola vao volana mey isika izao, saingy zava-doza ny fahatapatapahan'ny herinaratra,

Card image cap
23-mai-2025

Miteraka resabe amin’izao fotoana izao ny raharaha mikasika ny ben’ny tanànan’i Talata Volonondry

Card image cap
23-mai-2025

pirenena intsony ny zava-bitan'ny governemanta!»

Card image cap
23-mai-2025

Misy zavatra hafahafa ihany amin’ny toe-draharaha politika eto amin’ny firenena tato ho ato izay.

Card image cap
23-mai-2025

Mitohy ny fihetsika hafahafa ataon'ny Filoham-pirenena izay tsapa sy tsikaritra

Card image cap
23-mai-2025

Nambara fa maro ny zavatra vita ao Nosy Be fa hapetraka ihany koa ny fanamby

Card image cap