tia tanindrazana

Parution du Vendredi, 2 Juin 2023

airtel

Politique

Fanovana governemanta Ahilika izay tsy tena akama…

Efa nisaorana nandritra ny filankevitry ny minisitra ny alarobia 15 febroary 2023 lasa teo ireo mpikamban’ny governemanta, raha ny vaovao voalaza fa efa nohamafisin’ny seraseran’ny fiadidian’ny Repoblika.

17-févr-2023

Sample post image

Zavatra fanao io rehefa hisy ny fikitihana na fanovana ny mpikamban’ny governemanta satria misy ny hoesorina na hosoloina na hafindra toerana. Minisitra 10 eo no mety halana amin’ny toerany, raha ny resaka nandeha efa andro vitsivitsy lasa izay. Mbola samy mametra-panontaniana ny rehetra hoe: iza no hoesorina ary iza no mety hotazonina amin’ny toerany? Ho voatazona amin’ny toerany ve ny Minisitry ny asam-panjakana sy ny lalàna sosialy izay vadina mpikamban’ny Vaomieram-pifidianana kanefa isika hiatrika fifidianana. Tsara anefa fa isan’ny olona tena nametrahan’ny Filoham-pirenena fitokisana Rtoa Gisèle Ranampy izay isan’ny minisitra naharitra indrindra, ary efa nitazona ny Minisiteran’ny fitsarana tamin’ny fotoana nanesorana an’Atoa Imbiki Herilaza ny febroary 2022. Anarana mandeha fa mety hoesorina ihany koa ny Minisitry ny atitany Atoa Pierre Houlder Ramaholimasy, izay malaza fa mety ho hatao loholona ary mety hapetraka hitantana an’io andrim-panjakana io aza. Anarana hafa malaza fa mety hapetraka ao amin’ny antenimierandoholona mialohan’ny fialan’ny Filoha 60 andro mialohan’ny fifidianana araka ny adininy faha-46 amin’ny lalàmpanorenana ihany koa anefa ny anaran’ny Jeneraly Richard Ravalomanana,… Izay governemanta amin’izay endriny farany eo izany no hitondra ny baolina any amin’ny fifidianana ka izay heverina fa tsy dia manana lanja ara-politika aloha izany, dia mihozongozona. Ho voahaisotra ve ny Minisitra Vonjy Andriamanga izay voatonontonona matetika tamin’ilay raharaha volamena 36kg fony izy minisitry ny harena an-kibon’ny tany? Ity farany izay voalaza fa isan’ny olona tsara aro ao anatin’ny fitondrana, na ilay antsoina amin’ny voambolana hoe: “manana lamosina be” ka na inona na inona mety ho fahadisoana dia sarotra ny manakisaka azy. Voalaza fa sarotra kitihina ihany koa ny Minisitry ny vola, saingy mety ho voaahaisotra ihany koa noho ny raharaha ara-toekarentsika izay tena latsaka tanteraka. Sarotsarotra ihany koa ny toeran’ny Minisitry asa vaventy Jerry Hatrefindrazana, ny minisitry ny angovo sy ny akoran’afo Andry Ramaroson, ny Minisitry ny tontolo iainana Vina Orléa,… Isan’ny tsaratsara toerana, ary mety tsy hiova ny Minisitry ny atitany Atoa Tokely Justin, Minisitry ny fiarovana Jeneraly Rakotonirina Richard, Minisitry ny serasera Lalatiana Rakotondrazafy izay toa tsikaritra ho tena akaiky ny Filoha amin’izay alehany na eo aza ny olany amin’ny depiote, ka fiovan-toerana aza no mety hatao ho azy raha hisy an’izay, araka ny feo mandeha any an-dapa. Olona isan’ny akaiky ny Filoha ihany koa ny Minisitry ny fanabeazana Rtoa Sahondrarimalala Marie Michelle, saingy efa nilaza fa rehefa nanaiky notendrena dia manaiky ny fanesorana, na izany aza rehefa hita ho miha mafy ny lalao dia ireo tena akama no tazonina fa izay efa hita fa tsy hahafaty baolina dia maka sisiny aloha… Vinavina sy resaka miainga avy anaty Fanjakana moa ireny, fa andrasana izay tena ho endriny.


Misy ny mety ho fanesorana na fanendrena minisitra vaovao izay araka ny lojika satria ny Minisitry ny fitaterana izao voafidy ho Tale Jeneralin’ny ASECNA, ny Sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimaria voalaza fa handeha hisotro ronono, ny minisitry ny raharaham-bahiny mbola vonjimaika ka mety hisy fanendrena izay tena ho tompon-toerana,… Toky R

Dans la même rubrique

Card image cap
Manoro Régis - UNDD «Matahotra mafy dia mafy korontana izahay»
02-juin-2023

Manaraka ny zava-misy ny antoko politika UNDD, hoy ny filohany, Dr Manoro Régis. Hitanay ny mahazo ny vahoaka, hoy izy.

Card image cap
5 volana mialohan’ny fifidianana Miha mangotraka ny tontolo politika
02-juin-2023

Mihazakazaka ny toe-draharaha politika, ary hita ho miha mangotraka amin’izao 5 volana mialohan’ny fifidianana izao. Mandeha ny adihevitra samihafa toy ny firesahana sy adihevitra ambony latabatra hametrahhana ny fitsipi-pitondran-tena,

Card image cap
Etazonia Manohana ara-toekarena, miandrandra fifidianana madio
02-juin-2023

Nankalazaina omaly 01 jona 2023 ny fankalazana ny faha-247 taonana nanambarana ny fahaleovantenan’i Etazonia

Card image cap
Antoko politika Matsilo «Na ny fitondrana aza mahita fa tsy amin’ny izy ny fitantanany»
02-juin-2023

Madagasikara an’ny malagasy no fantatray, hoy ny antoko politika Matsilo. Na ny fitondrana ankehitriny aza, hoy ny filohan’izy ireo, Joseph Yoland,

Card image cap
Jerry Rakotoarijaona «Samy hafa ny fihetsiketseham-bahoaka sy tolom-bahoaka»
02-juin-2023

Sarotra raha amin’izao ny hahatarika olona hidina an-dalambe, hoy ny mpamakafaka raharaham-pirenena, Jerry Rakotoarijaona.

Card image cap
Antoko politika Natiora «Lojika raha tsy misy fitoniana politika eto»
02-juin-2023

Lalaovin’ireo mpamatsy vola mahazatra isika, hoy ny antoko politika Natiora. Averiko ihany, hoy ny filohan’izy ireo, Mihari-Ni-Rencho,

Voir plus