airtel

Politique

04-mars-2022

Politique

Fanovana governemanta «Tsy hampiova zavatra, rafitra no olana eto»

Sample post image

“Momba ny fanovana governemanta na fitsipaham-pitokisana, na inona na inona dia governemantan’ny miaraka amin’i Rajoelina io,

04-mars-2022

izy no tompon’antoka ka mahomby dia azy, tsy mahomby dia azy. Tsy hitako ny hidirana amin’izany hoe: andao hovana any governemanta satria an’ny TGV-MAPAR io”, hoy i Dr Ignace Randriamamizafy Mpikamban’ny Kongresin’ny tetezamita teo aloha. Hitondra inona ny fanovana minisitra? in-telo nosoloana ny minisitry ny mponina fa inona no zavatra niova teo? Olona nakarina laharam-boninahitra hoe: depiote tsotra, dia lasa Filoha Lefitry ny antenimieram-pirenena, dia natao minisitra,… izay no nisy teo, fa ny teo ihany no teo. Nosoloina in-droa ny Minisitry filaminana anatiny, kanefa ny tsy fandriampahalemana aza efa lasa endriky ny fipoahana ara-tsosialy. In’efatra nosoloina ny minisitry ny fahasalamana, fa ny farany dia hoe nisy fanodinam-bola 8 miliara indray. Na hovana im-piry tsy hitondra na inona fa olana rafitra sisa eto. Manao inona ny Minisiteran’ny asa vaventy? Ny FR (Fonds Routiers) izao izy ihany no mitantana azy. Ny famatsiam-bola avy amin’ny Banky Iraisam-pirenena sy ny Tahirim-bola iraisam-pirenena (FMI) tonga dia ny orinasa sinoa na ny Colas no mahazo azy. Manao làlana, mividy fitaovana, dia ny governora no mitantana azy. Foano tany, dia manao “Minisitère de l’infrastructure nationale” ohatra. Ny Minisiteran’ny Paositra ihany koa torak’izany. Ny paositra efa lasa amin’ny minisiteran’ny vola, ny “télécommunication” eto miankina amin’ny tsy miankina avokoa,… Momba ny fametrahana minisitra lefitra, matoa asiana minisitra lefitra dia ngezabe sy miantraika amin’ny vahoaka izany ilay departemanta. Mitondra inona ny fanatanjahantena, na ny fiakarana tany amin’ny CAN 2019 aza tsy nitondra akony tamin’ny toekarentsika, tsy nitondra akony amin’ny mpilalao satria tokony ho maro be nompilalao lasa nakany ivelany, fa izaho tena nahita fa toa tsy nisy na iray aza. Tsy nisy vokatra nentiny hatramin’izao, kanefa io fa natao olon-droa no miantsoroka ny minisitera. Ny minisiteran’ny rano, dia ny Filoha Ravalomanana no nanangana azy hoe: hamatsiana an’Androy, betsaka ny rano very, ary nisy tetikasa aza hoe: hanondrana rano tany amin’ny Arabo. Amin’izao, mmanao inona ilay minisitera? Eto Antananarivo aza mijaly rano. Ny fahadiovana sy fidiovana, dia resaka toeram-pivoahana, fa ny “WC public” eto aza ny Kaominina no mitantana azy, hoy ny fanehoan-keviny.
Toky R
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Nivadika ny rasa, nanapa-kevitra ny tsy hanohana ny kandida solombavambahoaka avy amin’ny

Card image cap
25-avril-2024

Tsy hitondra fitoniana eto amin'ny firenena ny fifidianana kasaina hatao eto Madagasikara

Card image cap
25-avril-2024

Raharaha isan’ny mitana ny sain’ny maro ankehitriny ny nampidirana am-ponja an-dRtoa Ramalason Olga,

Card image cap
25-avril-2024

Mila averina ny hasin’ny fanabeazana eto Madagasikara, hoy ny antoko politika RCR-Tolona,

Card image cap
25-avril-2024

Mitohy ny fanamboarana ireo làlana mampitaraina ny vahoaka ao Ambohimanarina.

Card image cap
24-avril-2024

Nampanantsoina teny anivon’ny tendrom-pitsarana misahana ny ady amin’ny kolikoly na ny PAC (Pôle anti-corruption) 67ha,

Card image cap