Nisy ny fambolen-kazo nataon’ny antoko TGV izay io depiote io no mpandrindram-paritra, ary nanotrona azy ihany koa ny depioten’i Fenoarivobe. Taorian’izay, nikasa hanohy hamory vahoaka tao amin’ny tranompokonolona, haneho ny heriny nanamafy ny fitakiana ny fialan’ny Governora saingy natahorana mafy, ka nosakanana tamin’ny fomba rehetra. Tsy nahasakana ny hetsika tsy handeha anefa izany, fa notohizana tao Antsampanimahazo toerana nambolena hazo, 4 km miala ny renivohitra ny fitakiana. “Mila raharaha izy, ka aleo aseho ny hery! Fampisaraham-bazana, fanodinkodinana, fandikan-dalàna, fiarovana ny olon-dratsy no misy, ka miala ny governora. Tsy ny depiote Ramaherijaona no miady aminy fa ny vahoaka leo tsy fahombiazana, tsy misy fandrosoana,…”, hoy io Depiote io. Nahitsy izy nilaza fa 90% amin’ny làlana potika tsy misy horaisina, eny fa ny makany amin’ireo ben’ny tanàna mpisolelaka aminy. Ny makany Fenoarivobe ny làlana kely 28km mba namboarin-dRagôva efa potika. Nampita hafatra tamin’ny Filoha fa mila mitandrina ka sao mba hanimba ny ataon’ity governornora ity sy ny ekipany. “Mialokaloka ao an-damosin’ny minisitry ny serasera, fametrahana ny antoko Freedom na “Freedomisation” no imasoan’ireo, olona tsy resy lahatra sy vidividiana no entiny eo, hafa ny TGV tonga mandeha tongotra sy mitanin’andro. Esory io governora io, fa tsy vahaolana, mbola tsy tara,… Betsaka ny tsy fahombiazana, zarazaraina I Bongolava, henjehina ny tompon’andraikitra tsy manaiky baikoana,…”, hoy ny Depiote Haja Ramaherijaona. Nanitrikitrika fa ny depiote sy ny antenimiera dia andrim-panjakana fahatelo, ka mirotsaha ianao depiote, fa raha mirotsaka ho depiote eto ianao dia eo am-pandriana aho no manao propagandy, hoy I ny Depiote Haja Ramaherijaona mantsy ny governora Ramiaramanana Joseph. Naneho fa mahatoky ny tenany sy vahoaka ao an-damosiny. Nanipika fa saro-piaro noho ireo olona tondroiny ho mandoto ny filoha, mpivadibadi-dela ka androany mandoto ny Filoha ary rahampitso milaza fa tena tompon-dakan’ny fitiavana. Tadidinareo ve ny paozin’ny taniny tany Ambatondrazaka! Esory ihany koa ireny fa manamaimbo ny Filoha, hoy ny Depiote Haja Ramaharijaona, izay toa namely ankolaka ny minisitry ny serasera.
NANAMPY TOSIKA NY DEPIOTEN’I FENOARIVOBE
Tsy dia tazana hatramin’izay ny Depioten’i Fenoarivobe Randrianarisoa Bien Aimé tamin’ny hetsi-pitakiana ny fanesorana ny governora, saingy nahitsy nilaza fa tongo-bakivaky ka sady maharary no mahamenatr’olona, ary efa niezaka nandamina. “Miharihary tahaka ny vay an-kandrina, mikorontana tanteraka ny Faritra Bongolava, ho olana amin’ny fifidianana. Aleo izay olona tsy mahomby hiala mba hampandroso ny faritra Bongolava. Miangavy ny Filoham-pirenena, Praiminisitra, Minisitry ny atitany hijery akaiky ny olana eto amin’ny faritra. Izahay mianakavy dia eto, fa ny olona rehefa vita ny nanirahana na fanendrena azy dia miala eto, ka miangavy anareo hijery akaiky ny zava-misy”, hoy ity Depiote.
Toky R
Manaraka ny zava-misy ny antoko politika UNDD, hoy ny filohany, Dr Manoro Régis. Hitanay ny mahazo ny vahoaka, hoy izy.
Mihazakazaka ny toe-draharaha politika, ary hita ho miha mangotraka amin’izao 5 volana mialohan’ny fifidianana izao. Mandeha ny adihevitra samihafa toy ny firesahana sy adihevitra ambony latabatra hametrahhana ny fitsipi-pitondran-tena,
Nankalazaina omaly 01 jona 2023 ny fankalazana ny faha-247 taonana nanambarana ny fahaleovantenan’i Etazonia
Madagasikara an’ny malagasy no fantatray, hoy ny antoko politika Matsilo. Na ny fitondrana ankehitriny aza, hoy ny filohan’izy ireo, Joseph Yoland,
Sarotra raha amin’izao ny hahatarika olona hidina an-dalambe, hoy ny mpamakafaka raharaham-pirenena, Jerry Rakotoarijaona.
Lalaovin’ireo mpamatsy vola mahazatra isika, hoy ny antoko politika Natiora. Averiko ihany, hoy ny filohan’izy ireo, Mihari-Ni-Rencho,