Aleoko lavitra, hoy izy, vahana ny lavanilina dia aza omena tosika fameno sy vary tsinjo ireo vahoaka ireo. Nifidy olona tsy manana hazon-damosina isika. Amin’ny fomba ahoana, havanao izao efa ho faty, maro ireo nigadra, maro ireo nalain’ny banky ny harenany, dia mbola sahinao hoe aleo hidinika 2 andro? Ny maty efa tsy mahandry. Inona no olan’ny fanjakana? Inona no olanao andriamatoa filoha fa ampianay ianao? Iza no atahoranao fa hitsangana izahay hiteny hoe mitenena ianao! Ireto vahoaka ireto koa hitsangana, hoy hatrany ity mpitarika ny Mihava tour ity tao Sambava. Tratran’ny rivodoza izahay, hoy kosa ny depioten’i Mananjary, Mamihaja Charlot, ny sakafo vonjitaitra ao Antanimora. Avy eo mody mikoropaka mamonjy vahoaka, hoy izy. Iray volana ao aorian’ny rivodoza vao tonga ny fanampiana anefa mbola tsy azo zaraina fa mila alefa sary. Miandry olona tokana vao zaraina. 25kg no atao sary. 3 kapoaka isan’olona no zaraina. Mariky ny tsy fisian’ny fitsinjaram-pahefana eto izany. Mijaly ny vahoaka ambany raviazo, hoy indray ny solombavambahoakan’i Vohemar, Edizard. Mampalahelo anefa fa ny sasany minia mikipy maso tsy mijery. Efa misy ny lalana napetraky ny fanjakana taloha 97-046 tamin’ny 4 novambra 1997, andininy faha 8, fahalalahana ara-barotra, izay lasa fanararaotana. Fa maninona no tsy natao fa izay tiatiany no ataony. Nihazakazaka isika namokatra lavanilina lafo vidy. Tsara ny fiainantsika. Fa naninona no novonoina i SAVA nanomboka ny taona 2019, hoy hatrany ity solombavambahoaka ity? Ny fananantsika nalaina, maty mosary ny malagasy, hoy ny depiote voafidy tao Taolagnaro, Zafinandro Perle Bien Aimée, nanitrikitrika ny fitantanana tsy mety eto.
J. Mirija
Mbola vao volana mey isika izao, saingy zava-doza ny fahatapatapahan'ny herinaratra,
Miteraka resabe amin’izao fotoana izao ny raharaha mikasika ny ben’ny tanànan’i Talata Volonondry
Misy zavatra hafahafa ihany amin’ny toe-draharaha politika eto amin’ny firenena tato ho ato izay.
Mitohy ny fihetsika hafahafa ataon'ny Filoham-pirenena izay tsapa sy tsikaritra
Nambara fa maro ny zavatra vita ao Nosy Be fa hapetraka ihany koa ny fanamby