Tokely Justin ho minisitry ny Ati-tany sy ny fitsinjaram-pahefana ao amin’ny governemanta Ntsay Christian ny 16 martsa 2022. Hatramin’izao tsy voatendry izay ho goverinoran'ity Faritra mpamokatra lavanila ity. Ny Sekretera Jeneralin’ny Faritra SAVA no misahana ny fampandehan-draharaha nanomboka ny 2 mey 2022. Nisy ihany ny anarana re fa mety hotendrena. Anisany be mpiresaka tamin’izany ary tombanan'ny maro fa mety ho amin'io toerana io ny senatera Eddie Serge Fernand, izay Ben’ny tanànan'Antalaha teo aloha, saingy nijanona ho tombana sy resaka an-dalantsara ihany anefa ireny. Sa mametra-panontaniana na ireo mpandraharaha, n any olontsotra, na olom-boafidy na ireo olom-boatendry avy amin’iny Faritra iny, fa inona no antony tsy anendrena Goverinoran'ny Faritra SAVA nefa mba maro manampahaizana ihany zanaky ny Faritra, mahalala tsara sy afaka hitarika ny fampandrosoana any sa tsy misy atokisana. Taom-pifidianana rahateo ny 2023, ary ny filoha teo aloha Hery Rajaonarimampianina no nahazo vato betsaka tany SAVA tamin’ny fifidianana filoham-pirenena fihodinana voalohany ny taona 2018. Nampanantena ny hanatsara ny lalam-pihariana sy ny vidin’ny lavanila ny filoha ankehitriny Andry Rajoelina, ny mifanohitra amin’izay anefa no zava-misy ka tombanana ho noho io no antony tsy mbola mahavoatendry mandraka ankehitriny ny Goverinoran'ny Faritra SAVA.
Jean D.
Mbola vao volana mey isika izao, saingy zava-doza ny fahatapatapahan'ny herinaratra,
Miteraka resabe amin’izao fotoana izao ny raharaha mikasika ny ben’ny tanànan’i Talata Volonondry
Misy zavatra hafahafa ihany amin’ny toe-draharaha politika eto amin’ny firenena tato ho ato izay.
Mitohy ny fihetsika hafahafa ataon'ny Filoham-pirenena izay tsapa sy tsikaritra
Nambara fa maro ny zavatra vita ao Nosy Be fa hapetraka ihany koa ny fanamby