raha ny lafiny diplaomasia no asiana resaka. Azo heverina ho tefaka mandrivorivo tamin’ny fomba mihaja na azo lazaina koa hoe amin’ny fomba diplaomatika no nomen’ny firenena norvezianina ny firenena malagasy ny 25 jolay teo fa mikatona tanteraka manomboka anio ny masoivohon’i Norvezy eto amintsika. Nampahatsiahy moa ny fanjakana Norvezianina tao anatin’izany fanambarany izany fa efa tamin’ny septambra 2022 izany fanjakana izany no niketrika ny fanavaozany ireo rafitra ara-diplaomatikany manerana izao tontolo izao. Tsy nahita antony na tombontsoa na koa hoe “intérêt” tokony hiaraha-miombon’antoka amin’ny firenena malagasy intsony, araka izany, ity fanjakana Eoropeanina ka dia naleony nametraka fisaorana dia nandeha. Iaraha-mahalala anefa ny fiaraha-miasan’izany fanjakana Norvezianina izany tamin’ny orinasa FIFAMANOR ao Antsirabe efa nandritry ny 40 taona teo ary teo amban’ny fiahian’ny minisiteran’ny fiompiana rehetra nandalo hatrany saingy amin’izao fotoana izao anefa, raha ny fampitam-baovao voaray, dia efa mitsipozipozy tanteraka izany orinasa mikarakara ny momba ny vehivavy be ronono izany satria dia efa lasa mivarotra omby mihitsy. Misehatra amin’ny fikarakarana sy fanatsarana ny famokarana ovy sy ny masomboly koa izany orinasa izany na fanapariahana ny voly vary vazaha ao Vakinankaratra ao nefa aiza izy izao? Isan’ny nanamarika ny fiaraha-miasan-dry zareo norvezianina tamin’ny malagasy koa ny fanatsarana sy fanamboarana ny lalana eny amin’ny tontolo ambanivohitra niaraka tamin’ny orinasa NORAD izay nanaomboatra ny lalana mampitohy an’Antsirabe hatrany Faratsiho sy Andranomanelatra-Ambohimiarivo saingy dia tapaka hatreo koa, araka izany, izany rehetra izany.
TSY TIA MIARA-MIASA AMIN’NY BE KOLIKOLY…
Tao anatin’ny 157 taona ny fifandraisan’I Madagasikara tamin’I Norvezy, izay niatomboka tamin’ny fahatongavan’ny mpitory fivavahana, nandalo tamin’ny lafiny toekarena, ny fanabeazana,… Tany amin’ny Fanjakana Ravalomanana, isan’ny nanampy tamin’ny tontolon’ny fanabeazana, ka isan’ny nahazoana ireny “kits scolaire” ireny manodidina ny 100 tapitrisa dolara isan-taona. Efa tany amin’ny oktobra 2022 no fantatra ny hanesorany ny Masoivohony teto, na dia ny aprily 2023 aza no tonga teto ny Masoivohony Gjermund Saether. Isan’ny tsy mamparisika ity firenena ity hiara-hiasa amintsika ny firongatry ny kolikoly eto na tsy voalaza ofisialy aza. Tsara ny manamarika, fa sarotiny tanteraka amin’io izy ireo, ary izy no isan’ny mitana ny laharana tsara indrindra amin’ny firenena tsy misy kolikoly indrindra eto ambonin’ny tany satria anatin’ny 5 voalohany hatrany matetika. Isan’ny manana vahoaka ambony fari-piainana sy tena miadana eto ambonin’ny tany I Norvezy, ka isan’ny antom-pahombiazany ny fahaiza-mitantana, fifehezana ny kolikoly,... Manaratsy endrika hatrany an’I Madagasikara amin’ny tontolon’ny diplaomasia ny tahaka izao, ary tsy dia fahita firy ny fisiana masoivoho sy firenena mangoron’entana izany, raha tsy korontana ao amin’ny firenena iray na fandroahana ataon’ilay firenena tahaka ny nandroahan’I Marc Ravalomanana ny Ambasadaoro Frantsay tamin’ny 2009.
J. Mirija sy Toky R
Mbola vao volana mey isika izao, saingy zava-doza ny fahatapatapahan'ny herinaratra,
Miteraka resabe amin’izao fotoana izao ny raharaha mikasika ny ben’ny tanànan’i Talata Volonondry
Misy zavatra hafahafa ihany amin’ny toe-draharaha politika eto amin’ny firenena tato ho ato izay.
Mitohy ny fihetsika hafahafa ataon'ny Filoham-pirenena izay tsapa sy tsikaritra
Nambara fa maro ny zavatra vita ao Nosy Be fa hapetraka ihany koa ny fanamby