airtel

Politique

27-oct-2022

Politique

Fetison Rakoto Andrianirina « Kely finoana ny hisian’ny fikaonan-doham-pirenena aho »

Sample post image

Fikaonan-doham-pirenena, tontolom-pifidiana ... maneho ny heviny Atoa Fetison Rakoto Andrianirina filoha nasionalin’ny antoko Roso ho amin’ny Demokrasia Sosialy (RDS)

27-oct-2022

Tia Tanindrazana (TT) : Hita fa sahiran-kevitra ny Filoha Rajoelina ankehitriny manoloana an’ireo zava-mamohehitra hita etsy sy eroa ataon’ireo mpiara-miasa aminy. Maro koa ireo antoko mpanara-dia azy toa an’Atoa Ratsirahonana Norbert, Rabetsaroana Sylvain sns, no efa miala tsikelikely aminy. Mety hahavita ny fepotoam-piasany ve izy raha ny fahitanao azy ?
Fetison Rakoto Andrianirina : Ny faniriana aloha dia ny hahavitan’izao fitondrana izao ny fepotoam-piasany ka hisian’ny fifamindram-pahefana ara-demokratika. Tena efa nanahirana antsika mantsy ary novidian-dafo ny namerenana an’i Madagasikara ho tany miaina ny fenitra demokratika. Ahiana mafy anefa ny tsy hahatanteraka an’izany faniriana izany ka hanamafisana ny fototra demokratika eto amintsika satria manjaka tanteraka anatin’ny tsy fanajana ny tany tan-dalàna isika izao. Porofo mitohaka amin’ny tenda ireny fihoaram-pefy hita tetsy sy teroa ireny, ny fanodinkodinana ny volam-panjakana, ny fisian’ny tsy maty manota. Ambonin’izany, ireo fihetsika tsy refesi-mandidy, manakana ny fifanakalozan-kevitra. Ireny rehetra ireny no mitambatra dia hitarika amin’ny korontana indray. Ny fiakaran’ny vidim-piainana sy ny tsy fandriampahalemana manginy fotsiny.
TT : Ahoana ny fandraisanao an’ireny tenin’Atoa Ratsirahonana Norbet, filohan’ny AVI ireny ?
Fetison : Aiza moa izao ny toerana misy ny firenena ankehitriny ? Niaiky izany ny Raiamandreny Ratsirahonana fa nanana anjara toerana goavana amin’ny toe-java-misy amin’izao ny tenany sy ny antokony. Fa nahafaly ny naheno ny teniny satria efa misy mpitarika politika sahy mijoro ho tompon’andraikitra, tsy noho ny fandrosoana ihany fa na dia amin’ny tsy fahombiazana koa aza. Tompon’andraikitra feno amin’izao zava-misy izao, izany hoe ny fahantrana, ny tsy fandriampahalemana, ny olana ara-politika nifanesy, ny fihemoran’ny firenena izy sy ny antokony. Ekena kosa anefa fa nisy ny zava-tsoa nahafantarana ny zava-bitany. Ny vahoaka no aoka hitsara.
TT : Raha ny fahitanao azy manokana, ho raikitra ihany ve ny fikaonan-doham-pirenena ?
Fetison : Anisan’ny fenitra demokratika ny fanajana ny teny nomena (maro ireo fampanantenana tsy mbola tanteraka), ny fahaiza-mihaino sy mifanakalo hevitra, izay hita sy tsapa fa tsy mbola hain’izao fitondrana izao. Kely finoana aho ny hisian’ny fikaonan-doham-pirenena amin’ny endriny hitakin’ny maro azy kanefa manana adidy izao fitondrana izao ny tsy hiverenan’ny olana ara-politika intsony eto amin’ny firenena. Ny ahiahy tsy hihavanana, dia miandry izay ho fanapahan-kevitry ny Filoha momba izany isika.
TT : Efa mihetsiketsika avokoa ireo antoko politika na eo amin’ny fitondrana na ny ivelan’ny fitondrana. Manao ahoana ny fiomananareo ? Handray anjara ve ny antoko RDS ?
Fetison : Na hanomana toy ny inona aza izahay kanefa raha tsy madio ny kianja ilalaovana sy ifaninanana dia ho herim-po very maina izany. Ny antoko RDS dia tsy mbola taitra amin’izany fiomanana izany fa miezaka mitady ny fomba hisian’ny fifidianana madio sy mangarahara aloha. Raha tsy eo mantsy izany, dia tsy antenaina ny hisian’ny fifidianana hahafantarana ny safidin’ny vahoaka marina, hiteraka ny filaminana aorian’ny taona 2023.
TT : Inona avy ary ireo kianja tokony ho diovina, araka ny hevitrareo ?
Fetison : Tokony haverina ka hiarahana mandinika ny fikarakarana sy ny fanatanterahana ny fanavaozana tanteraka ny lisitry ny mpividy. Inona ny fomba tsara hahafahana manatsara ny fikirakirana ny voka-pifidianana ? Raha ilaina, hitondràna fanitsiana na tovana ny lalam-pifidianana hifanaraka amin’ny zava-misy ka hanarenana ny lesoka teo aloha. Ireo no tanteraka dia hitoetra marina ny fahaleovan-tenan’ny CENI.
Jean D
 

Dans la même rubrique

28-mars-2024

Mankahery ny vahoaka malagasy manoloana ny zava-misy ankehitriny

Card image cap
28-mars-2024

Nisy omaly 27 martsa takariva ny karazana fandaharana sy fanambarana nataon’ny PAN.

Card image cap
28-mars-2024

Ankoatra ny fitoriana mba hanonganana tsy ho depiote ny Filohan’ny Antenimierampirenena Rtoa Christine Razanamahasoa,

Card image cap
28-mars-2024

Nidoboka am-ponja ao Antanimora efa tapa-bolana izao Atoa JR lehiben’ny faritra Analanjirofo tamin’ny fitondrana Rajaonarimampianina,

Card image cap
28-mars-2024

Misedra olana marolafy ny firenena na ara-politika na ara-toekarena na ara-tsosialy!

Card image cap
28-mars-2024

Manamafy ireo mpikatroka ifotony ao anatin’ny Antoko TIM ao anatin’ny distrikan’Avaradrano,

Card image cap