amin’ny TVM ny sabotsy teo, fa mbola tsy firesahana ny hoe: iza no kandidan’ny TIM ho Filoham-pirenena izao, fa raha ny heviny manokana dia kandida voajanahary ny Filoha teo aloha Marc Ravalomanana amin’ny TIM. Amin’ny alalan’ny kongresy anefa no hanapahana izany satria manana rafitra sy fitsipika ny TIM. Tokony hanaja izany ihany koa ny rehetra, hoy izy. Ankehitriny, misy ny manamarika fa ahitana taratra fisamatsahamana ao anatin’ny TIM. Ny mikasika ny hoe: any ambadika any misy TIM mamadika, dia nilaza io depiote io fa ny mpivady aza miady, ireo depiote voatonontonona no mety hamaly, ny solombavambahoaka izay miharihary, samy manana ny olany io, hoy izy. “Sarotra ny mandainga hoe: milamina toy ny any an-danitra na any am-piangonana. Io ihany koa raha tsy misy fifandonana, izay no hivoahana hevitra iray, fahasamifana, fa tafiaraka ao anaty fahasamihafana fa tanjona iraisana. Amin’ny ampahany izay, fa fehezin’ny fitsipiky ny antoko ka na mety aminao na tsy mety aminao dia tsy maintsy manaraka anio satria misy kaomisionin’ny raharaha anatiny ao anatin’ny TIM”, hoy ity depiote ity. Nambarany ihany koa fa misy ny efa nampanantsoina, ary tsy maninona ny miresaka an’izany. “Misy solombavambahoaka anankiroa izao efa nandraisana fepetra, efa tsy mivory miaraka aminay intsony. Izahay na vitsy kanefa misy ny tsy mety, mandika ny lalan-kevitra ijoroan’ny antoko dia mikisaka ianao, na fampitandremana na sazy, mety tonga amin’ny fanilihana”, hoy ity Filohan’ny Vondrona Parlemantera TIM ity. Tsy nolaziany mazava kosa ny anaran’ireo. Ny depiote Fidèle Razarapiera sy Hanitra Razafimanantsoa ve no tiany hambara amin’izany? Henjakenjana ny fiodin’ny politika eto, betsaka ny zavatra tsy ampoizina, saingy heverina fa mety tsy ho kisendrasendra. Ny ampitso no hamaritra ny tena fandehany !
Toky R
Manaraka ny zava-misy ny antoko politika UNDD, hoy ny filohany, Dr Manoro Régis. Hitanay ny mahazo ny vahoaka, hoy izy.
Mihazakazaka ny toe-draharaha politika, ary hita ho miha mangotraka amin’izao 5 volana mialohan’ny fifidianana izao. Mandeha ny adihevitra samihafa toy ny firesahana sy adihevitra ambony latabatra hametrahhana ny fitsipi-pitondran-tena,
Nankalazaina omaly 01 jona 2023 ny fankalazana ny faha-247 taonana nanambarana ny fahaleovantenan’i Etazonia
Madagasikara an’ny malagasy no fantatray, hoy ny antoko politika Matsilo. Na ny fitondrana ankehitriny aza, hoy ny filohan’izy ireo, Joseph Yoland,
Sarotra raha amin’izao ny hahatarika olona hidina an-dalambe, hoy ny mpamakafaka raharaham-pirenena, Jerry Rakotoarijaona.
Lalaovin’ireo mpamatsy vola mahazatra isika, hoy ny antoko politika Natiora. Averiko ihany, hoy ny filohan’izy ireo, Mihari-Ni-Rencho,