Nilaza ny Tale Kabinetra mpisolo toeranan sady Talen’ny serasera eo anivon’ny Fiadidian’ny Repoblika sady mpitondra tenin’ny Filoha teo aloha Rtoa Lova Hasinirina Ranoromaro, fa « Fake news » na vaovao tsy marina nambaran’ny kandida Paraina Auguste momba an’i Andry Rajoelina izay nambaran’iry voalohany fa voaantso any Londres amin’ny 30 novambra momba ilay raharaha kolikoly tamin’ny oriansa Gemfields, nisamborana an-dRtoa Romy Voos Andrianarisoa. « Raha misy zavatra tiany hambara mahakasika an’i Andry Rajoelina dia afaka miantso ahy izy mba tsy hiteniteny foana fa mba olona manana ny maha-izy azy ihany eto amin’ny firenena ihany », Ramatoa Lova Hasinirina Ranoromaro. Somary hafahafa ihany ny fipetraky ny fitondrana setriny rehefa halalinina. Fanambarana tamin’ny anaran-dRtoa Lova Hasinirina Ranoromaro ve io sa amin’ny alalan’ny Fiadidian’ny Repoblika ? Manamafy ny Fiadidian’ny Repoblika, fa mbola misy dian-tànan’i Andry Rajoelina sy baikony ao anatin’ny fitantanan-draharaha ary mbola mandray ny baikony ny eo amin’ny fitantanana na efa tsy filoha intsony aza i Andry Rajoelina ?
Toky R
Mbola vao volana mey isika izao, saingy zava-doza ny fahatapatapahan'ny herinaratra,
Miteraka resabe amin’izao fotoana izao ny raharaha mikasika ny ben’ny tanànan’i Talata Volonondry
Misy zavatra hafahafa ihany amin’ny toe-draharaha politika eto amin’ny firenena tato ho ato izay.
Mitohy ny fihetsika hafahafa ataon'ny Filoham-pirenena izay tsapa sy tsikaritra
Nambara fa maro ny zavatra vita ao Nosy Be fa hapetraka ihany koa ny fanamby