airtel

Politique

10-mars-2023

Politique

Fiadidian’ny Repoblika Nosoloina ihany koa ny Sekretera Jeneraly

Sample post image

Taorian’ny fanoloana ny Tale Kabinetran’ny Fiadidian’ny Repoblika ny herinandro teo, dia niova ihany koa ny Sekretera Jeneralin’ny Fiadidian’ny Repoblika na ny SGP.

10-mars-2023

Noraisina nandritra ny filankevitry ny minisitra omaly alakamisy 09 martsa 2023 ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022-441 tamin’ny 30 martsa 2022, ary manendry an’ Andriamatoa Fanohiza Claude, ho Sekretera Jeneralin’ny Fiadidiana ny Repoblika. Nesorina tamin’ny toerany izany Rtoa Pelandroy Esperance herintaona latsaka kely taorian’ny nandraisany io toerana io. Izy no nisolo an-dRamonjavelo Valery izay mbola mpikamban’ny MMM tamin’izany, ka niala vao nisintaka ny Minisitry ny fanajariana ny tany Atoa Hajo Andrianainarivelo. Niala tsy ho MMM indray taty aoriana, ary izy lasa minisitry ny Fanatanjahantena anatin’ny Governemanta tarihin’ny Praiminisitra Ntsay Christian io. Mikasika ny SGP vaovao kosa, dia isan’ny nahafantarana azy ny Fitarihany ny Fondation Tany Meva fantatra amin’ny resaka famatsiam-bola momba ny tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra, ary niara-niasa akaiky tamin’ny AFD (Agence Française de Développement) sy ny Vondrona eoropeanina. Efa Tale mpanantanteraky ny Transparency International Initiative Madagascar ihany koa ny tenany,... Raha raisina amin’izay, dia heverina ho misy karazana pimaso ara-politika amin’ny iraisam-pirenena ny fametrahana azy.
Legende : Atoa Andriamatoa Fanohiza Claude no SGP vaovao misolo toerana an-dRamatoa Pelandroy Esperance
Toky R
 

Dans la même rubrique

28-mai-2025

hahantra fadiranovana sy tsy handroso izany fa tena miankina amin’ny safidy sy fanapahan-kevitra

Card image cap
28-mai-2025

Manoloana izao fahasahiranam-be mahazo ny firenena sy ny vahoaka izao,

Card image cap
28-mai-2025

Mena ny tondro rehetra ary ambony risika mety hisian’ny fipoahana ara-politika eto vokatry ny krizy amin’ny

Card image cap
28-mai-2025

Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy tao amin’ny foiben’ny Dubaï Chambers ny

Card image cap
28-mai-2025

Miantoka ny fandehanan’ny fiainan’ny mponina eny ifotony ny

Card image cap
28-mai-2025

Nanatanteraka fitsidihana ara-pomba ofisialy tao amin’ny tanànan’i Morondava ny

Card image cap