airtel

Politique

26-juil-2023

Politique

Fiainam-pirenena Kihon-dalana goavana ny fifidianana Filoha ho avy io

Sample post image

Na ahoana na ahoana ambara, na inona na inona resahana dia tsy maintsy ho avy eo ihany ny fifidianana filohan'ny repoblika.

26-juil-2023

Mbola misy karazan-drivotra politika fara fahakeliny 3 mantsy amin'izao fotoana : voalohany ny hoe alefaso amin'ity taona ity ny fifidianana, faharoa aleo aloha alamina ny rafitra rehetra izay vao miroso amin'ny fifidianana ary fahatelo farany dia ny hoe aleo miditra tetezamita mihitsy aloha ka manova lalampanorenana sy misafidy tsara izay rafi-pitantanana sy rafi-pitondrana iainana eto. Dia samy mirona any amin'izay heverina fa mampetipery azy ireo mpanao politika zatra sangodim-panina sy efa manana traikefa amin'ilay "ny isavorovoroan-kilatoana".
SAROTRA NY FIAINANA
Etsy ankilan'izay anefa tena miha lafo ny vidim-piainana, nihen-danja hatrany amin'ny 40% ny Ariary raha oharina tamin'ny sandany ny taona 2019.Tsy atao mahagaga noho izany raha niakatra 30 ka hatramin'ny 70% ny vidin'entana ilain'ny Malagasy amin'ny fiainany andavanandro.Saran-dalana taxibe 400 ariary no lasa 600 ariary ary ny loza dia ny hoe mety ho tonga hatrany amin'ny 800 ariary izy io raha tsy mahita maritra iraisana ny fanjakana sy ny mpitatitra. Ny volana aprily dia efa maro ireo sekoly nampandre ny ray amandrenin'ny mpianatra ka hisondrotra ny saram-pisoratana anarana sy ny saram-pianarana satria sahirana ihany koa ireo sekoly tsy miankina izay manakarama mpampianatra sy mpandraharaha.
TRATRA AORIANA HATRANY
Efa taraiky ka tsy nahatratra ny tanjona tamin'ilay tanjon'ny taona arivo fahatelo (OMD) i Madagasikara noho ny krizy 2009, io ilay hoe fampihenana amin'ny antsasany (50%) ny tahan'ny fahantrana. Ny mifanohitra amin'izay aza no nitranga satria faha 76% ny tahan'ny fahantrana teto Madagasikara ny taona 2008 dia mananiky ny 90% izy amin'izao 2023 izao.Raha ny zavamisy dia efa karazany tsy hahavita hanatratra ireo tanjon'ny famoandrosoana lovainjafy (ODD) indray koa i Madagasikara amin'izao fotoana, raha mbola mitohy ny fitantanana tsy mahomby sy gaboraraka ary kolikoly sy ny fihenan'ny famokarana eto. Ireo firenena Afrikanina anefa , eny fa na dia ny mpiady an-trano sy noheverina fa farofy aza efa miroso ary manana vina sy fandaharanasa mazava tsara ary tena tanterahina fa tsy mijanona ho kabary sy fampanantenana fotsiny toa an'i Mozambika, RDC,Cote d'Ivoire, Kenya, Comores, Senegal... Madagasikara irery no taraiky ary tavela ao amin'ny kilasin'ireo firenena 5 farahidimy eto ambonin'ny tany Tsy ady anefa teto na loza voajanahary mahatsiravina nahafatesan'olona ana hetsiny; tsy fahaiza-mitantana sy tsy fahaizana misafidy laharampahamehana amin'ny asa natao no nisy.
MILA MAHAY MANAPA-KEVITRA
Efa hita iny ny 5 taona nampanofinofisana an'ilay IEM. Efa tena mibaribary toa ny tafika andrefan-tanàna ny fampiesonana manarapenitra, tsy iadian-kevitra intsony fa tena niha sahirana ny tokantrano Malagasy rehetra tato anatin'ny 4 taona sy tapany, na ireo heverina fa manan-katao aza dia maro no nahatsapa fa nilatsaka ny fahefa-mividin'izy ireo. Be loatra ny politika nampisara-bazana fa tsy nampandroso natao teto, ny fifaninanana mamono no nimatimatesana, fifandimbiasam-pahefana amin'ny fanenjehana sy fanagadrana no natao naha maika.Mifaninana manandra-tena ho mesia ireo mpitarika politika.Rehefa tena mahazo fahefana anefa dia toa ny teo aloha ihany no miverina. Mila mahay manapa-kevitra ny Malagasy amin'ny fifidianana manaraka eo raha ny fihevitry ny mpanao politika iray, izay efa ela nandinihina ny toe-draharaham-pirenena.Mila firaisankina tena izy ary mampandroso isika, hoy izy fa tsy ilay firaisankina tefy maika mora rava.Tsy vitan'ny kabary sy teôria be fotsiny ny fampandrosoana firenena fa mila zavatra mazava, fomba fitantanana tsotra, marina kanefa mahomby. Tokony sahy mijoro hitondra fanovàna ny olom-pirenena fa tsy miandry fahagagana ka hoe rehefa mifoha aho rahampitso maraina dia indro fa efa lasa ny zavatra taloha ka niova ho tsara ny tontolo Ny Malagasy no mila sahy manova ny fiainany sy manoratra ny tantarany fa tsy sanatria miandry fitserana amin'ny mpamatsy vola foana.Tsy nofinofy izany fa azo tanterahina tsara saingy mila fitiavan-tanindrazana sy fitiavana ny mpiray tanindrazana ary fahatongavan-tsaina fa tsy maintsy asandratra ambony ho soatoavina ny fijerena ny soa iombonana fa tsy maika amin'ny tombotsoan'ny tena manokana foana.
RTT
 

Dans la même rubrique

28-mai-2025

hahantra fadiranovana sy tsy handroso izany fa tena miankina amin’ny safidy sy fanapahan-kevitra

Card image cap
28-mai-2025

Manoloana izao fahasahiranam-be mahazo ny firenena sy ny vahoaka izao,

Card image cap
28-mai-2025

Mena ny tondro rehetra ary ambony risika mety hisian’ny fipoahana ara-politika eto vokatry ny krizy amin’ny

Card image cap
28-mai-2025

Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy tao amin’ny foiben’ny Dubaï Chambers ny

Card image cap
28-mai-2025

Miantoka ny fandehanan’ny fiainan’ny mponina eny ifotony ny

Card image cap
28-mai-2025

Nanatanteraka fitsidihana ara-pomba ofisialy tao amin’ny tanànan’i Morondava ny

Card image cap