Tsy nisy ny fanambarana, tsy nisy nipika ny resaka. Ny kandidà Roland Ratsiraka no nilaza fa mety tsy hanaiky izay valim-pifidianana eo ny vondrona iraisam-pirenena raha tsy mandray anjara avokoa ny mpifaninana rehetra. Nilaza koa izy fa nangataka fa nangataka ny fanemorana ny fidianana izy ireo. Manara-maso akaiky ny Vondrona Iraisam-pirenena, ary efa nisy ny fanambarana samihafa toy ny fanamafisana ny fanambaran’ny Rantsana misahana ny zon’olombelona eo anivon’ny ONU, izay naneho fa tafahoatra ny fampiasan-kery, ny herisetra, fanohintohinana ny fahalalahana ara-politika,… Nanamafy ihany koa I Marc Ravalomanana omaly fa araka ny fihaonana tamin’ny Iraisam-pirenena, rehefa tsy mifanaraka sy tsy eken’ny rehetra ny vokatra eo ary tsy anatin’ny fitantanana tsy mitongilana dia efa olana. Tsy hivaha io raha tsy tonga ny Troikan’ny SADC izay misy lalan-tsaina harahina, ary isika mpikambana mazava ao anatin’io. Mazava ny fitakiana dia ny fanemorana ny fifidianana noho ny kandida maratra notifirina ary misy taratasy mazava, fametrahana HCC vaovao, CENI vaovao, tsy fankatoavana ny fitotsahan’I Andry Rajoelina izay efa tsy Malagasy intsony, fanemorana. Tapaka tanteraka ny fahatokisana ny HCC izay nankatoa ny fanonganam-panjakana na “coup d’Etat Institutionnel” izay tena efa lasa resaka “mércenariat” mihitsy. Tsy hisy fifidianana handeha eo fa avelao izy hanao amboletra eo, hoy I Marc Ravalomanana. Nilaza moa ny tenany fa hisy manam-pahaizana iraisam-pirenena telo efa tonga hijery ny zava-misy. Niantso ny zandary, polisy, miaramila ny tenany mba tsy hanao herisetra sy handeha am-pilaminana ny tenany, ary naneho fa tsy ny zandary rehetra no mihetraketraka fa olom-bitsy noho ny baiko midina. Ankoatra izay, voalaza fa ezahina hafenina hatrany ny olana eto, ka nambaran’ny kandida Paraina Auguste tamin’ny fahitalavitra iray omaly, fa hasarotina ny fahatongavan’ny iraky ny SADC tarihin’ny Filoha Tanzanianina hijery sy handamina ny toe-draharaha eto amintsika, ka ny Praiminisitra no tondroiny ho manao izany. Tokony ho tonga teto ny 18 oktobra ny iraky ny SADC kanefa efa in-telo izay no voalaza fa nisy fanemorana kanefa efa misy andiany tonga eto toy ireo Lehiben’ny fiarovana. Isan’ny voalaza fa sakana ny tsy famoahana fankatoavana na “Accréditation” avy amin’ny Minisiteran’ny raharaham-bahiny.
Toky R
Mbola vao volana mey isika izao, saingy zava-doza ny fahatapatapahan'ny herinaratra,
Miteraka resabe amin’izao fotoana izao ny raharaha mikasika ny ben’ny tanànan’i Talata Volonondry
Misy zavatra hafahafa ihany amin’ny toe-draharaha politika eto amin’ny firenena tato ho ato izay.
Mitohy ny fihetsika hafahafa ataon'ny Filoham-pirenena izay tsapa sy tsikaritra
Nambara fa maro ny zavatra vita ao Nosy Be fa hapetraka ihany koa ny fanamby