airtel

Politique

13-déc-2021

Politique

Fiainam-pirenena Miomana hiverina eo amin’ny fitondrana ny HVM

Sample post image

Tafiditra tanteraka ao anatin’ny fameloma-maso na “Redynamisation” ny Antoko HVM, ka taorian’ny faritra maro, dia teto Antananarivo indray no nanaovana izany ny sabotsy 11 desambra teo teny amin’ny foibeny eny Andraharo.

13-déc-2021

 Ny olona hanentana isaky ny fokontany aloha no nantsoina, tsy natao ho famoriana vahoaka fa karazana “formation des formateurs”. Mitodika sy mandinika ny lasa hoe: inona no lesoka tao anatin’ny antoko ahafahana manarina azy. Tsy naman’ny mihemotra, tsy naman’izay matahotra, mino ary niasa, mitady ny tombotsoan’ny vahoaka,… “Hijery amin’ny fo feno fitiavan-tanindrazana, ka ny ezaka dia ny hiverina ao anatin’ny Fitondrana, hitondra ity firenena ity. Raha tsy manana izay herim-po sy herin-tsaina, ary tsy fahatanjahana sy fahatokisana dia tsy mpanao politika. Rehefa nanao soa dia hovalian’ny olona soa satria mazava izao ny làlana, mazava satria teo ny zava-bita, resy isika kanefa ny olona nandresy antsika no mitondra amin’izao ary izay fomba nandreseny tao mbola hotsarain’ny tantara eo. Izao ny zava-misy, hatramin’ny olona mangetaheta sy milahatra rano rahonana amin’ny mpitandro ny filaminana. Isika tsy mba nanao ohatr’izany, nandamina ny firenena fa tsy mba nivatratra. Demokraty ny HVM, tsy tiantsika ny hiverenana amin’ny krizy ka nandeferana tamin’ny 2018 mba tsy hisian’ny korontana”, hoy i Rivo Rakotovao. Nambarany fa tsy maintsy handresy amin’ny fifidianana satria ny fifidianana dia fitsaran’ny vahoaka ny fomba fitantanana. Matoa mijoro dia manana fanantenana amin’ny tanjona politika hiverina eo amin’ny fitondrana.
“TSY NISY HOTOKANANA FIRY TETO RAHA TSY NANAO IZAHAY”
Ny ezaka nataon’izao fitondrana izao nanomboka ny 2015 dia novoizina fa tsy nahavita na inona na inona ny Fitondrana Rajaonarimampianina, saingy naseho an-tsary ny porofo tsy azo lavina tamin’ireo ambaran’izy ireo fa zava-bita maro be nanerana ny Nosy, izay misy ny notokanan’ny ankehitriny, toy ny “Rocade”, “pipeline”,… Ao ny mbola tsy notokanana toy ny seranam-piaramanidina, gare routière,… raha misy ny mbola mandeha toy ny seranan-tsambon’i Toamasina. “Raha tsy nanao na inona na inona ny Fitondrana Rajaonarimampianina, dia tsy nisy hotokanana firy amin’izao fa fampanantenana fotsiny no natao. Izahay dia manaiky ny fanekena ny fitohizan-draharaha, ary tsy izahay mihitsy no niteny tamin’ny andron’ny HVM hoe: tsy nahavita na inona na inona ny Fitondrana Ravalomanana, tsy nanao na inona na inona ny Fitondrana Ratsiraka,… Fahadisoan-kevitra izany raha mpitondra no manao toy izany satria ny firenena dia mijanona ho firenena miaraka amin’ny olona ao anatiny. Hamafisina izany, mba tsy hitavozavoza ny marina, ka ho resin’ny lainga tsara lahatra”, hoy i Rivo Rakotovao.
Toky R
 

Dans la même rubrique

30-avril-2024

Mbola afaka milatsaka ambanin'izao ve i Madagasikara, hoy ny minisitry ny fiarovam-pirenena fahiny, ny jeneraly Désiré Ramakavelo?

Card image cap
30-avril-2024

Lasa ohatrany tsy miraharaha intsony na «indifférent» amin’izao fotoana izao ny malagasy,

Card image cap
30-avril-2024

Malalaka be ny atao hoe raharaham-pirenena, hoy ny raiamandreny sady mpandalina ny

Card image cap
30-avril-2024

Niroso tamin’ny fanoratana taratasy miantefa amin'Andriamatoa Mohktar Benlamine, Solontenan'ny FMI monina eto Madagasikara sy Andriamatoa Fréderic Lambert,

Card image cap
30-avril-2024

Nandroso kabary tsara lahatra indray ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina tany amin’ny Fivoriamben’ny IDA

Card image cap
30-avril-2024

Tafapetraka ny mpikambana tsy maharitra ao amin'ny CENI ho an'ny kandidà laharana faha 6

Card image cap