airtel

Politique

21-mars-2024

Fianankavian’i Andry Andriatongarivo

« Kamboty velon-dray ireto zanany, miantso ny fitsarana hijery ny rariny »

Sample post image

Manamafy ny fahatsapan’izy ireo ho lasibatra eo anatrehan’ny fanagadrana an’i Andry Andriatongarivo

21-mars-2024

ny fianankaviany, mpiaro azy, namany,... Nisy indray ny fanambaran’izy ireo izay nampahafantatra fa tsingerin-taona nahaterahan'ny rainy omaly, feno 8 taona omaly ihany koa ny zanany. « Tsy manan-tsiny izy ireo kanefa volana maro no saziana ihany koa sarahana amin'ny zanany sy sarahana amin'ny rainy. Ity sombin'ny ainy izay toa kamboty velon-dray tamin'ny noely, no mety mbola hanontany tena indray hoe "narian'i Dada nga aho no tsy hita sy tsy re tampoka intsony izy?", hoy ireo fianankaviany. Tsy ny rainy ihany fa ny anabaviny, ireo kambana roakely izay tsy foiny koa no tafasaraka tsy fidiny aminy noho ny zava-misy satria tsy mba afaka hizara ny hafaliany toy ny fanao isan-taona ihany koa anio, hoy izy ireo omaly. Azonay an-tsaina, hoy ireo fianankaviany ny alahelon'i Andry an'ireto fianakaviany sy ity lahitokany amin'izao andro izao. Mbola manamafy ny antso amin’ny manampahefana rehetra mba hiaino ny hikiakany miangavy mba hanatsaharana ny heverin’izy ireo fa tsindrihazolena sy fanaparam-pahefana mianjady amin’izy ireo noho izany ireto fianankavian’i Andry Andriantongarivo ireto. « Tsy azo visavisaina akory ny halalan'ny ratra anaty vokatry ny herisetra mafy dia mafy niainan'i Andry sy ny anabaviny ary indrindra ireo kambana kely nandritra ny fisamborana an'i Andry. Ny mpanaraka tamin'ny tambazotra-tserasera aza nihoro-koditra, mafy lavitra ny takaitra ho azy ireo niaina mivantana ireny tranga ireny. Isaorana an'Andrimanitra nefa fa niaro izy, ary nanavotra ny ain'izy ireo ny fampitana mivantana ny zava-misy », hoy ny fanamarihana. Teo ny takaitran’izany, izay mbola miampy fampisaharana rainy sy ireo zanaka, koa miantso ireo manampanahy rehetra mba hanao izay tsy hihitaran'izao fahoriana mianjady izao, hoy hatrany izy ireo. Miaintso ny manam-pahefana andalovan'ny raharaha mba tsy hiaino feo hafa ankoatry ny feon'ny fieritreretany ka handray fanapahankevitra manaja ny rariny sy mifototra amin'ny lalàna. « Tsy miantso ny hitongilanan'ny fitsarana aty aminay izahay, tsy mangataka ny ho omena tombony manokana, miangavy kosa ny hisian'ny fijery tsy mitanila ka ho voahaja mitovy ny zon'ny mpifanandrina », hoy ireo fianankavian’i Andry Andriantongarivo. Nambaran’izy ireo fa maro ireo manam-pahefana na ireo eo anivon'ny fitsarana no miombom-po kanefa milaza tsy afa-manoatra noho ny antony maro. « Miangavy anareo eo anivon'ny fitsarana izahay mba hijoro, miangavy izahay mba hiaraka hibanjina ny hoavin'ny taranantsika isika ka tsy hanaiky intsony ary hanao izay tsy hisian'ny fitohizan'ny tranga miteraka ny fahapotehan' ny hasin'ny fitsarana sy ny famonoana ny fahaleovantenan'ny fitsarana sy ny mpitsara amin'ny didy raisiny. Aoka tsy hijanona ho kabary faheno mandritry ny lanonam-pitsarana isankarazany na koa mandritry ny atrikasa maro izany ady ho amin'ny fahaleovan-tena marin'ny fitsarana izany fa hiainantsika ka samy handray ny andraikitra araka izay tandrify azy . Azotsika atomboka anio izany », hoy ity fanambarana niraisan’ireo mpiaro, fianakaviana, ary naman'i Andry Andriatongarivo ity.
Toky R
 

Dans la même rubrique

16-mai-2024

Hiakatra eo anivon’ny PAC na «Pole anti-corruption», izany hoe ny fitsarana miady amin’ny kolikoly,

Card image cap
16-mai-2024

𝖭𝗈𝖿𝖺𝗋𝖺𝗇𝖺𝗇𝖺 androany 𝟣𝟧 𝗆𝖾𝗒 𝗋𝖾𝗃𝗂𝗌𝗂-𝗉𝗂𝖿𝗂𝖽𝗂𝖺𝗇𝖺𝗇𝖺 𝗇𝖺𝗌𝗂𝗈𝗇𝖺𝗅𝗒 𝖺𝗁𝗂𝗍𝖺𝗇𝖺 𝗂𝗋𝖾𝗈 𝗅𝗂𝗌𝗂𝗍𝗋𝗒 𝗇𝗒 𝗆𝗉𝗂𝖿𝗂𝖽𝗒 𝗂𝗌𝖺𝗄𝗒 𝗇𝗒 𝖽𝗂𝗌𝗍𝗋𝗂𝗄𝖺.

Card image cap
16-mai-2024

Izany tambin-karama izany dia misy any amin’ny orinasa tsy miankina sy orinasam-panjakana,

Card image cap
16-mai-2024

Nanomboka ny alarobia 08 may ary mifarana ny alatsinainy 27 mai 2024 amin'ny sasakalina ny fampielezan-kevitra.

Card image cap
16-mai-2024

Raikitra ny tosika propagandy ankolaka ataon’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina amin’ny alalan’ny fitetezam-paritra sy fanolorana zavatra.

Card image cap
16-mai-2024

Mitaky tany tan-dalàna sy ny demokrasia ary ny fanjakana tsara tantana ny fampandrosoa na firenena izany,

Card image cap