herinandro latsaka tsy hahataperan’ny fe-potoana fandrotsahana ny antontan-taratasin’ireo kandida ho Filoham-pirenena izao. «Raha ohatra ka handika lalàna ianareo hanome azy io “certificat de nationalité” io dia miomàna fa manomboka eo dia handika ny lalàna velona eto amin’ny tanin'ny Repoblikan'i Madagascar izay rehetra omenareo ohatra fa azo atao izany !! Tsy hiteny aho hoe tompon'andraikitra 100% ianareo izay hanao io sonia io fa kosa dia “assassins de haut niveau” ianareo !! », hoy Atoa Danny Rasolofomanana, iray amin’ireo anarana re teo aloha teo fa isan’ireo mety ho kandida filoham-pirenena. Atoa Hajo Andrianainarivelo ihany koa dia efa naneho fa tompon’andraikitra feno izay mpitsara mbola sahy hanome zom-pirenena an-dRajoelina, ary tsy resaka tahotra politika, fa fanarahan-dalàna no resaka. Efa niray feo ihany koa ireo kandida miisa 8, fa tsy vitan'ny hoe: fandikäna lalàna fotsiny ihany izany Filoham-pirenena mizaka zom-plrenena vahiny izany, fa efa famitahana vahoaka noho ny fahadisoana ara-moraly sy ami'ny fahamendrehana, ka nilazan’izy ireo fa tsy afaka mirotsaka. Amin’io herinandro ho avy io, ny 06 septambra izao no hifarana ny fe-potoana fanaterana ny dosie firotsahan-kofidiana, ka dia andrasana ny mikasika an’I Andry Rajoelina satria hanao kongresy nasionaly ihany koa ny TGV mialohan’io ny 4-5 septambra. Ny 06 septambra izao I Andry Rajoelina, hoy ny fampahalalam-baovao vahiny iray, ka andrasana hoe: izay tokoa ve no hitranga? Iny efa nolazain’ny Filohan’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana iny moa andaniny, fa tsy voatery hanome ny “certificat de nationalité” ny mpitsara, kanefa raha tsy afa-po na tsy mahazo an’io ny olona iray dia afaka mampiakatra any amin’ny Minisitra ny fitsarana ka ity farany no tompon’ny teny farany. Ny Minisitra izay ny Filoha no nametraka azy, toerana politika, ka heverina fa tsy hanao izay mifanohitra amin’ny tombotsoan’ny lehibeny izany na inona na inona adihevitra mikasika ny lalàna. Ny zavatra toa iniana voizina dia ny hoe: fahatahorana an’I Andry Rajoelina ny filazana fa tsy tokony ho afaka mirotsaka izy, tsy te hahalala izay resaka lalàna sy soatoavina raketin’izany hoe: “Filohan’ny Repoblika” izany, izay tena toeram-boninahitra sy saropady ary stratejika be ho an’ny firenena iray, mila fahintsiana, mila fahamarinana, mila fangaraharana,… Voalazan’ny andininy faha-45 amin’ny lalàmpanorenana fa ny Filoham-pirenena no miaro ny fiandrianam-pirenena, miantoka ny firaisam-pirenena,… ka tena mifanaraka amin’izany ve ny zom-pirenena vahiny ananan’ny Filoha ankehitriny sy ny adihevitra sy fisamatsahaman-kevitra aterany? Hatao amboletra hatrany araka izay maha diavolana ny sain’Atoa Andry Rajoelina ny raharaham-pirenena dia ho lasa didy fakan-tahaka na “jurisprudence” aoriana fa ho afaka mirotsaka hofidiana avokoa izay rehetra manana zom-pirenena Malagasy na na vazaha na sinoa na karana? Nekena ny fanonganam-panjakana 2009, nekena ny raharaham-pifidianana nampifanditra 2018,… Ary hanao ahoana ny 2023!?
Toky R
MAHANA TAMIN’NY NATAO Izay rehetra maneho hevitra hafa dia hanongam-panjakana ?
Nilatsaka ny sazy ! Voaheloka 10 taona an-tranomaizina miampy lamandy 60 tapitrisa Ariary
Misaora an’Andriamanitra isika fa manana harena ahafahana mampandroso ny firenena,
Taorian’ny filazana fa tsy ekena ny fanalam-baraka ny Firenena, namafisin’ny Prefen’Antananarivo Jeneraly Ravelonarivo Angelo Christian