Hanamafy ny fiaraha-miasa amin’ireo rafitra mpiara-miombon’antoka aminy na miankina na tsy miankina amin’ny Fanjakana. Isan’ireo tompon’andraikitra ambony voalaza fa handray azy ny Filohan’ny Repoblika, mpikamban’ny governemanta, Delegasionin’ny Vondrona Eoropeanina ary ireo mpiara-miombon’antoka iraisam-pirenena amin’i Madagasikara samihafa. Isan’ny horesahana ao anatin’izany ny tontolon’ny famatsiam-bolan’ny BEI aty Afrika sy ny fandaharan’asa manome lanja kokoa ny tontolon’ny toetr’andro. Araka ny fampahafantaran’ny BEI hatrany, hanokatra ireo herijikam-piaraha-miasa akaiky sy ireo fampiasam-bola stratejika vaovao izay hanampy ny tanjon’ny fampandrosoana ny firenena io. Efa nisy ny fanambarana nialoha nataon’io Tompon’andraikitra avy amin’ny BEI io amin’ny hisian’ny fanohanana mafonja avy amin’ny BEI hoan’iireo mpampiasa vola avy amin’ny sehatra tsy miankina eo amin’ny tontolon’ny fambolena. Nambara fa hitondra vokatra miabo eo amin’ny fanjarian-tsakafo eto amin’ny firenena io. Mandritra io fotoana io ihany koa no hanehoan’i Ambroise Fayolle hanehoana ny fivoarana eo amin’ny fanatanterahana ny tetikasa momba ny famatsiana herinaratra eny ambanivohitra, izay natomboka tamin’ity taona ity. Amin’ity tompon’andraikitra ambony eo anivon’ny BEI ity, fotoana lehibe hanamafisana ny fiaraha-miasan’io Banky io amin’i Madagasikara izao mba hanatrarana ny fanambin’ny fampiasam-bola sy hanohanana ny fampandrosoana lovain-jafy sy fanarenana ny takaitran’ny krizy. Ny BEI moa no namatsy vola ny tetikasa fanaovana fotodrafitrasa tahaka ny sehatry ny rano, ny fitaterana, ny fitaterana, ny fanavaozana ny làlam-pirenena RN6 sy ny RN13. Nanomboka ny taona 1970, eo amin’ny 904 tapitrisa euros ny tombam-bidin’ny fampiasam-bola maharitra teo amin’ny sehatra tsy miankina nataon’ny BEI teto Madagasikara. Raha atao moa ny salan’isa, dia 17 tapitrisa dolara isan-taona eo izany.
Toky R
hahantra fadiranovana sy tsy handroso izany fa tena miankina amin’ny safidy sy fanapahan-kevitra
Manoloana izao fahasahiranam-be mahazo ny firenena sy ny vahoaka izao,
Mena ny tondro rehetra ary ambony risika mety hisian’ny fipoahana ara-politika eto vokatry ny krizy amin’ny
Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy tao amin’ny foiben’ny Dubaï Chambers ny
Miantoka ny fandehanan’ny fiainan’ny mponina eny ifotony ny
Nanatanteraka fitsidihana ara-pomba ofisialy tao amin’ny tanànan’i Morondava ny