Raha ny sary hita afak' omaly, toa efa somary mihena am-pitoerana tahaka ny fen’antitra satria misy antoko toa efa tsy tazana intsony na lazaina aza fa mbola ao anatin’ny vovonana, misy olon'ny governemanta sady mpitarika ny Antokon'ny fitondrana any Atsimo toa tsy tazana kanefa ny hafa teo avokoa,... Tena noho ny faharesen-dahatra amin’ny fitantanana ny firenena sy ny asa fampandrosoana sa fiaraha-mihinana sy mitsetsitra ao anaty fitondrana no zava-dehibe? Miezaka manambatra hery sy mandravona ny savorovoro anatiny, saingy tena mbola miara-dia ao am-bala ihany koa ve anefa ny hafa? Raha nahazo vato 2 500 000 teo i Andry Rajoelina tamin’ny fifidianana fihodinana faharoa tamin’ny 2018 ka nambara fa lany, moa mbola ho voatazony ve io raha tarafina amin’izao fitantanany izao? Ekena fa mbola manana herintaona latsaka hitondrana firenena, saingy sarotra ny hanao fahagagana ao ao anatin’izany fe-potoana fohy izany. Ny zava-misy, betsaka ny fahadisoam-panantenana, iny tamin’ny 2018 iny ny vokatra tsara indrindra ho an-dRajoelina, efa miova ny sary politika na ekena aza fa voasokajy ho isan’ny matanjaka ny volomboasary. Hampihena ny taham-panohanana ny volomboasary ny fahavakisan’ireny afera maloto samihafa na “scandales” ireny, ny tsy fahafehezana ny toekarena, ny krizy samihafa,… Ny resaka fianteherana amin’ny vaton’ny any amin’ny faritra mety efa tsy ho azo antenaina intsony noho ny mety hisian’ny kandida matanjatanjaka toy ny any amin’ny faritra Atsimo. Ny tapany atsinanana sy avaratra ihany koa toa misy kandida izay mety handrava vato,… Hampiteny ny vola sy ny fari-pananana ary ny fahefam-panjakana sy ny basy ve? Mbola hanao amboletra ka ho saritsarim-pandresena indray tahaka ny tamin'ny 2018? Efa fantatry ny maro izany ka mba mety efa manana ny paikadiny ihany koa ny hafa fa tsy voatery hanaiky lembenana hatrany. Ny resaka fidirana an-tsehatry ny firenena vahiny na ny tontolo ara-jeopolitika ihany koa etsy andaniny mbola mety ho maso-tsivana ka asa hoe: mbola ho ao anatin’ny kaonty ve Rajoelina? Toky R
hahantra fadiranovana sy tsy handroso izany fa tena miankina amin’ny safidy sy fanapahan-kevitra
Manoloana izao fahasahiranam-be mahazo ny firenena sy ny vahoaka izao,
Mena ny tondro rehetra ary ambony risika mety hisian’ny fipoahana ara-politika eto vokatry ny krizy amin’ny
Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy tao amin’ny foiben’ny Dubaï Chambers ny
Miantoka ny fandehanan’ny fiainan’ny mponina eny ifotony ny
Nanatanteraka fitsidihana ara-pomba ofisialy tao amin’ny tanànan’i Morondava ny