airtel

Politique

13-déc-2022

Politique

Fiatrehana ny fifidianana Hitety ireo sekoly ambony ny CENI

Sample post image

Ankoatra ny fandefasana iraka mitety tokantrano mandray ny anaran’ireo feno 18 taona rehetra hiditra anaty lisi-pifidianana hahafahany mandray anjara amin’ny fifidianana hotontosaina amin’ny taona 2023

13-déc-2022

ho avy io dia fantatra fa hitety ireo sekoly ambony ihany koa ny CENI na ny vaomieram-pirenena mahaleo tena misahana ny fifidianana ato ho ato. Efa nisy ihany koa hoy ny filohany ny fikasana hitety ireo orinasa afaka haba misy eto amintsika teo aloha teo saingy noho ny fahitan’ny sasany izany ho zavatra hafa dia naato ilay fikasana. Ny tanjona mantsy hoy izy dia mba ho voasoratra anaty lisi-pifidianana avokoa ny rehetra ka samy hahatoky ny tsirairay fa tsy misy intsony ny doublon ary vokatry ny safidin’ny Malagasy izay filoham-pirenena ho lany eo. Ezaka hatao hamafana ny ahiahian’ny olom-pirenena avokoa izany rehetra izany hoy hatrany ny filohan’ny CENI ka tokony samy hiezaka ny tsirairay. Raha tsiahivina tokoa mantsy dia anisan’ny antony mahakamo ny olom-pirenena handray anjara amin’ny fifidianana ny fisian’ny doublon izay tsy takona nafenina teo aloha, ny fisian’ny olona efa maty mbola mahazo kara-pifidianana ihany, ny fananan’ny sasany karapanondro miisa 2….Nomarihin’ny filohan’ny CENI Atoa Dama Andrianarisedo moa fa ny hamafana izany sy hanavaozana ny fomba fiasa no tena antom-pisiany sy ireo mpiara-miasa aminy mba ho avy handatsa-bato avokoa ny rehetra amin’ny fifidianana hotontosaina amin’ny taona 2023 ho avy io.
Pati
Legende : Atoa Dama Andrianarisedo, filohan’ny CENI
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Nivadika ny rasa, nanapa-kevitra ny tsy hanohana ny kandida solombavambahoaka avy amin’ny

Card image cap
25-avril-2024

Tsy hitondra fitoniana eto amin'ny firenena ny fifidianana kasaina hatao eto Madagasikara

Card image cap
25-avril-2024

Raharaha isan’ny mitana ny sain’ny maro ankehitriny ny nampidirana am-ponja an-dRtoa Ramalason Olga,

Card image cap
25-avril-2024

Mila averina ny hasin’ny fanabeazana eto Madagasikara, hoy ny antoko politika RCR-Tolona,

Card image cap
25-avril-2024

Mitohy ny fanamboarana ireo làlana mampitaraina ny vahoaka ao Ambohimanarina.

Card image cap
24-avril-2024

Nampanantsoina teny anivon’ny tendrom-pitsarana misahana ny ady amin’ny kolikoly na ny PAC (Pôle anti-corruption) 67ha,

Card image cap