airtel

Politique

08-déc-2021

Politique

Fiatrehana ny fifidianana Manetsiketsika ny vehivavy sy ny tanora ny tetikasa PADEM

Sample post image

Ny vehivavy no anisan’ny fototra iray hahafahana mampandroso ny firenena. Tsy misy lehilahy tafavoaka sy mijoro raha tsy tohanana vehivavy na eo amin’ny fitantanana ny tokantrano

08-déc-2021

 izany na amin’ny asa aman-draharaha maro isan-tsokajiny. Manoloana io tranga io dia nanatanteraka fihaonana tamin’ireo tompon’andraikitry ny CENI, ny OIF… tetsy amin’ny hotel Colbert Antaninarenina omaly ny tetikasa PADEM. Tetikasa iray anisan’ny manohana sy manampy ny vehivavy izy ity ka anisan’ny tanjony ny hampandray andraikitra ireto farany amin’ny fampandrosoana ny firenena. Raha araka ny fanazavan-dRtoa Nathalie Razafindehibe anisan’ireo vehivavy mandray anjara amina fikambanana maro eto amintsika amin’ny fampandrosoana ny firenena dia tena mahavita azy ny vehivavy ka mendrika hotohanana. Toraka izany koa ny tanora hoy izy, antony manosika ny tetikasa PADEM hiantso azy ireo sahady mba handray anjara mavitrika amin’ny fifidianana filoham-pirenena hotanterahina amin’ny taona 2023 ho avy io. Notsindriany manokana fa izao dia efa mila miomana ny tsirairay fa tsy hiandry amin’ny taona 2023 vao hihazakazaka. Nomarihiny anefa na izany aza fa tsy hiady ny toeran’ny lehilahy velively ny vehivavy saingy mahatsapa tena ho manana andraikitra amin’ny fampandrosoana ny firenena kosa izy ireny.
Pati
Legende : Ramatoa Nathalie Razafindehibe, anisan’ireo tompon’andraikitra eo anivon’ny PADEM
 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Efa fiainana ilay miaraka amin’ny vahoaka, hoy ny kandida ho solombavambahoaka ao Manjakandriana, Dr Fidy Bariniaina.

Card image cap
25-avril-2024

Nivadika ny rasa, nanapa-kevitra ny tsy hanohana ny kandida solombavambahoaka avy amin’ny

Card image cap
25-avril-2024

Tsy hitondra fitoniana eto amin'ny firenena ny fifidianana kasaina hatao eto Madagasikara

Card image cap
25-avril-2024

Raharaha isan’ny mitana ny sain’ny maro ankehitriny ny nampidirana am-ponja an-dRtoa Ramalason Olga,

Card image cap
25-avril-2024

Mila averina ny hasin’ny fanabeazana eto Madagasikara, hoy ny antoko politika RCR-Tolona,

Card image cap
25-avril-2024

Mitohy ny fanamboarana ireo làlana mampitaraina ny vahoaka ao Ambohimanarina.

Card image cap