toy ny mbola fahafahan’I Andry Rajoelina nirotsaka na teo azan y fitoriana samihafa nahazo azy. Asa izay ho tohiny taorian’iny fivoahan’ny lisitra iny, fa ankoatra ny resaka tsy fanarahan-dalàna, dia mihamafy ihany koa ny tetika maloto hoenti-manao kapa vavaranjo ireo mpifaninana ao anatin’izao fifidianana izao. Hatao izay fomba rehetra tsy hahafahan’ny kandida ivelan’I Andry Rajoelina mihetsika, toy ny efa namoahana ilay didim-panjakana tsy fahafahana mamory vahoaka ankalamanjana niainga tany amin’ny volana aprily, na dia tsy fahita aza izany nandritra ny vanim-potoana nialohan’ny fifidianana tao anatin’ny 62 taona. Samy nanaiky izany ireo kandida samihafa, eny fa na tao anatin’ny fanajana lalàna aza, mbola nandeha ny hetraketraka samihafa satria na fivoriana sy fihaonana tao anaty efitrano aza nisy namoahana Emmo-reg sy nanaovana baiko hoe: ravao io. Mitohy ny tetika maloto hanohintohinana sy higafiana ireo kandida hafa. Raha ny vaovao amin’ireo kaompania tsy miankina eny Ivato mantsy, hosakanana na foanana ny fampidirana angidimby amin’ny fifidianana filoham-pirenena ho avy eo. Tsy maintsy handeha fiara ny kandida rehetra ankoatra an’I Andry Rajoelina, raha ny loharanom-baovao teknisianina avy amin’ny teknisianin’ny ACM. Ny mahagaga ihany koa anefa, dia ao amin’ny Toby miaramila iray eny Ivato no mipetraka ny angidimby ampisain’I Andry Rajoelina, ary miaramila no miambina sy mikarakara ny “operation de vols” rehetran’ireo angimby ireo, izay mpiasam-bahoaka fa tsy mpiasan’ny tsy miankina. Manamafy ireo teknisianina avy amin’ny ACM nanome ny vaovao, fa tena hatao izay tsy hisian’ny fampidirana angidimby ho an’ireo kandida hafa hoenti-manao fampielezan-kevitra. Efa nisy ireo kandida nilaza fa efa vita hatramin’ny ela, nisy hatrany amin’ny faha-13 aogositra ny fangatahana ny fampidirana ny angidimby, saingy tsy mbola misy valiny. Lasa any amin’ny Fiadidian’ny Repoblika no voalaza fa misahana izany, ary henjanina ny fepetra hoe: tsy maintsy alefa 2 volana mialoha ny anaran’ny mpanamory, ny “immatriculation” an’ny fitaovana,… izay tena karazana antsojay. Fomba fiady mety handeha ihany koa ny hoe: efa mandeha tapa-bolana na herinandro tsy hahataperan’ny fampielezan-kevitra vao havela hampiasa angidimby ny kandida hafa mba ho fanomezana tombony ny kandidam-panjakana. Fifidianana madio sy milamina ary mangarahara sy malalaka tokoa ve ilay tiana hatao ary mandra-pahoviana no handaitra ny teti-dratsy izay toa tsy tanjaka fa hakanosana politika?
Toky R
Mbola vao volana mey isika izao, saingy zava-doza ny fahatapatapahan'ny herinaratra,
Miteraka resabe amin’izao fotoana izao ny raharaha mikasika ny ben’ny tanànan’i Talata Volonondry
Misy zavatra hafahafa ihany amin’ny toe-draharaha politika eto amin’ny firenena tato ho ato izay.
Mitohy ny fihetsika hafahafa ataon'ny Filoham-pirenena izay tsapa sy tsikaritra
Nambara fa maro ny zavatra vita ao Nosy Be fa hapetraka ihany koa ny fanamby