airtel

Politique

02-nov-2023

Fidinana eny amin’ny 13 may

Mikorapaka mafy ny governemanta

Sample post image

Mikorapaka mafy eo anatrehan’ny fanambaran’ny Firaisankinan’ny kandida hiditra eny amin’ny Kianjanan’ny 13 May

02-nov-2023

amin’ny sabotsy izao ny governemanta ankehitriny. Tsy niandry ny andro anio, fa tao anatin’ny andron’ny omaly 01 novambra, izay andro fiasana no nirotsaka ny fanambarana, fa manameloka tanteraka ny fikasana, izay nambara fanakorontanana sy fidirana an-keriny. Manao antso avo ny Governemanta amin’ny fandraisan’andraikitry ny rehetra mba hiaro ny fiandrianan’ny vahoaka malagasy hifidy izay hitondra ny firenena sy ny fenitra demokratika. Miantso ny mpisehatra rehetra amin’ny fifidianana, indrindra ireo mpiara-miombon’antoka amin’i Madagasikara, mba hanohy ny fanohanana ny fikarakarana ny fifidianana, ho fanajana ny tetiandrom-pifidianana araka ny lalampanorenana, hoy io fanambarana io. Nambara fa hetsika tsy ahazoana làlana ny fikasana ho eny amin’ny 13 may ka nilazana fa efa nisy ny fandrarana navoakan’ny Prefektioran’Antananarivo, ka nilazana fa fihantsiana ny mbola fikasana ho eny. Taiza ary oviana tokoa moa no nisy nangataka ho eny amin’ny kianjan’ny 13 may ka nomena alalana ? Basy hatrany no narangaranga teny, saingy raha ny tantara hatramin’izay dia tsy naharo ny fitondrana niezaka nampiasa hery izany. Tsara ihany koa no mampahatsiahy ny tantara, fa tsy hitan’ny karatra ary tsy hitan’ny tabilao teo amin’ny sehatry ny politika ny Praiminisitra Lehiben’ny governemanta ankehitriny raha tsy nisy ny tolon’ny13 may notarihin’ny depiote 73 tamin’ny 2018. Tsy hitan’ny karatra I Andry Rajoelina fa nijanona teo amin’ny ben’ny tanàna, raha tsy nisy ny fidinana an-dalambe teny amin’ny 13 may tamin’ny 2009, ary niaraha-nahita fa maro ny fahapotehana, fandrobana, fandorana,… tamin’izany kanefa ny amin’izao tsy misy zavatra mipika. Napetraka ho kianjan’ny demokrasia teo Ambohijatovo fa aiza izy izao? Efa lasa zaridaina aza mbola ambenana basy! Rehefa ny volomboasary no midina an-dalambe mandoro sy mandroba ary mamotika firenena dia voromanga fa rehefa ny kandida maro an’isa no mijoro miady hisian’ny fifidianana madio, famerenana ny fanjakana tan-dalàna, fanovana ireo rafitra mitanila,… ao anatin’ny hetsika milamina tsy misy fahapotehan-javatra dia vorondolo?
Toky R
 

Dans la même rubrique

28-mai-2025

hahantra fadiranovana sy tsy handroso izany fa tena miankina amin’ny safidy sy fanapahan-kevitra

Card image cap
28-mai-2025

Manoloana izao fahasahiranam-be mahazo ny firenena sy ny vahoaka izao,

Card image cap
28-mai-2025

Mena ny tondro rehetra ary ambony risika mety hisian’ny fipoahana ara-politika eto vokatry ny krizy amin’ny

Card image cap
28-mai-2025

Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy tao amin’ny foiben’ny Dubaï Chambers ny

Card image cap
28-mai-2025

Miantoka ny fandehanan’ny fiainan’ny mponina eny ifotony ny

Card image cap
28-mai-2025

Nanatanteraka fitsidihana ara-pomba ofisialy tao amin’ny tanànan’i Morondava ny

Card image cap