ny fifanarahana ara-miaramila amin’I Rosia natao ny martsa 2022,… araka ny fampahalalam-baovaon’ny Africa Intelligence. Mihisatra na mikatso mihitsy ny fiaraha-miasa ara-tafika eo amin’I Madagasikara sy Lafrantsa, mikatso ny fametrahana ny fiaraha-miasa izay miompana amin’ny fanaraha-maso an-dranomasina, ny fametrahana “radar” hirosoana amin’ny fanavaozana ny tafika an-dranomasina any Antsiranana,… Nitsahatra avokoa ny tetikasa tato anatin’ny herinandro vitsivitsy, araka ny notaterin’io fampahalalam-baovao vahiny io. Ara-diplaomasia sy ara-tafika, iaraha-mahita ny fihetsiky ny Frantsay aty Afrika, io iaraha-mahita io ny toe-draharaha any Mali, rehefa tsy nifanaraka amin’ny lohany. Tsy miteny hoe: mila mandady aminy na miady aminy, fa mila mahay mandanjalanja sy mahay diplaomasia. Ny ara-tafika io, fa mampanahy ny fiaraha-miasa vao misy resaka Eoropeanina, Tahirimbola Iraisam-pirenena, Banky Iraisam-pirenena,… na ekena aza fa misy ny fomba firesaka ara-diplaomatika fa manana ny fiandrianany I Madagasikara. Isan’ny mbola tsy mazava sy tsy marin-toerana ihany koa ny lafiny ara-pifidianana, izay isan’ny notsongolohan’ny Vondrona Eoropeanina. Mifangarika amin’ny fomba fihetsiky ny Fanjakana anefa etsy andaniny ny fiventesana lava ny resaka fiandrianam-pirenena, kanefa vao tapa-bolana lasa izay no tany Frantsa ny Filoha Rajoelina, nirehareha fatratra amin’ny famatsiam-bola Frantsay 240 tapitrisa euros mandritra ny 4 taona, izay efa hatramin’ny 2021 no nampanantenainy; ny famatsiam-bolan’ny Vondrona Eoropeanina 325 tapitrisa euros mandritra ny 4 taona,… Mbola arahina fepetra ireny, ary mijanona ho sora-bola rehefa tsy araka ny tamberiny andrasany ny fihetsiky ny mpitondra. Lasa kiboribory vetaveta hatrany?
Toky R
Mbola vao volana mey isika izao, saingy zava-doza ny fahatapatapahan'ny herinaratra,
Miteraka resabe amin’izao fotoana izao ny raharaha mikasika ny ben’ny tanànan’i Talata Volonondry
Misy zavatra hafahafa ihany amin’ny toe-draharaha politika eto amin’ny firenena tato ho ato izay.
Mitohy ny fihetsika hafahafa ataon'ny Filoham-pirenena izay tsapa sy tsikaritra
Nambara fa maro ny zavatra vita ao Nosy Be fa hapetraka ihany koa ny fanamby