Nazava anefa, hoy ny sekretera jeneralin’izy ireo, Durlin Retogniane, ny hevitsika tany am-boalohany fa tsy miandany an’iza na iza amin’io ady any Okrainina io. Tokony notazonina foana izay toerana izay. Nisy tsy fifankahazoana ve teo amin’ny filoham-pirenena, izay heverina ho filohan’ny diplomasia eto Madagasikara, sy ny minisitry ny raharaham-bahiny, izay nisolo tena antsika tany amin’ny latsa-bato? Aza adino fa ny minisitry ny raharaham-bahiny koa no nisolo tena antsika naneho fiaraha-miory tamin’ny firenena Britanika tamin’ny fahalasanan’ny mpanjakavavy Elizabeta. Azo heritreretina koa ny hoe sao nisy fanerena avy amin’ireo firenena mivondrona anaty OTAN tamin’iny fotoana iny ka nahatonga ilay minisitry ny raharaham-bahiny nandray fanapahan-kevitra mety ho azy manokana amin’ny maha olompirenena azy? Aza adino koa fa mpiasan’ny firenena mikambana ny minisitry ny raharaham-bahiny ka mety nisy izay toromarika izay. Petrakevitra daholo moa izany fa I Madagasikara foana no ho lasibatr’izany satria manimba ny fifandraisana iraisampirenena izany fanapahan-kevitra izany. Raha tsy hiresaka fotsiny afa-tsy ny fifandraisana eo amintsika sy I Rosia izay hoe tokony hanampy antsika amin’ny famerenana ireo nosy manodidina ireo isika, ohatra. Mpikambana maharitry ny fandriampahalemana ao amin’ny firenena mikambana I Rosia. Mpikambana amina rafitra iraisam-pirenena maro koa I Rosia, raha tsy hiresaka fotsiny afa-tsy ny BRICS isika, izay ahitana koa an’I Brezil, Inde, Sina, Afrika atsimo. Sao dia hanimba ny fifandraisantsika amin’ireo koa ity fanapahan-kevitra ity satria ho lazain’ny olona fa tsy matotra ny diplaomasiantsika, hoy hatrany ny antoko politika Fiombonana, satria miantoka ny jeopolitika sy jeostratejika maneran-tany ny zavatra toy ireny.
J. Mirija
Tsy mahantra fa ampahantraina hatramin’izao ny malagasy, hoy ny mpikatroka eo
Tapa-taona aty aorian’ny fanapahana tao anatin’ny filankevitry ny minisitra ny septambra 2024
Fanamby amin’ny fahantrana ity fa tsy fanamby eo amin’ny isika samy isika, hoy ny
Politika ivelan’ny firenena no atao hoe diplaomasia, hoy ny antoko politika
Tena manao izay ho afany ireo mpiaro ny filoham-pirenena sy mpiaro izao fitondram-panjakana
Tsy miova ny fomba fijerin’i Madagasikara amin’ny fitakiana ireo Nosy ireo, dia ny famerenana »,