airtel

Politique

08-août-2023

Politique

FIFIDIANANA 2023 Ireo tsara ho fantatra

Sample post image

Efa nohamafisina tamin’ny fomba ofisialy tamin’ny alalan’ny didim-panjakana 2023-863 navoakan’ny

08-août-2023

governemanta ny 11 jolay teo ny hanatanterahana fifidianana Filoham-pirenena eto amin’ny tanin’ny Repoblikan’i Madagasikara ny 09 novambra izao ho an’ny fihodinana voalohany, ary ny 20 desambra ho an’ny fihodinana faharoa. Ny isan’ny nanaitra sy nampiady hevitra tao anatin’iny, dia ilay anto-bola nampiakarin’ny governemanta ho 200 tapitrisa Ar. Nisy ny antoko izay tsy iray fa maro no naneho, fa tsy ara-dalàna iny, ary lasa sakana ho an’ny fahalalahan’ny fifidianana satria lasa natao ho an’ny mpanam-bola ny fifidianana. Isan’ny nanaitra anefa ny firesaky ny Filoham-pirenena tamin’ny nilazany fa manabe isa fotsiny ny kandida sasany, ary tao anatin’izany no nivoahan’ilay fomba fitenenana hoe : « candidat farfelus» ! Nisy kosa no naneho, fa fifidianana mialohan’ny fotoana io, ka raha ny lalàna dia ny fepetra tamin’ny fifidianana teo alohany no arahina, rehefa tsy nisy fanavaozana lalàna natao. Mbola isan’ny nanaovan’ireo mpanao politika sasany tatitra tamin’ny iraka mpanara-mason’ny SADC io.

MILAMINA VE NY LISI-PIFIDIANANA ?
Efa nivoaka ofisialy ihany koa ny rejisitra ofisialin’ny lisi-pifidianana narafitra ny 20 jolay teo, ka 11 043 836 ny isan’ny mpifidy raikitra, ary io no lisitra hampiasaina amin’ny fifidianana hizotra ato ho ato. Nihoatra 293 902 io mitaha ny fanavaozana isan-taona na RALE 2021-2021 izay 10 749 934 io. Latsaka kosa mitaha amin’ny tanjona napetraka tany am-piandohana 13 593 006, manome 81,25%. Isan’ny nanamarika ny fanavaozana manontolo ny lisi-pifidianana izay nandaniana 45 miliara Ar teo ny pitsopitsony maro, dia niampy 534 353 ny mpifidy amin’ireo faritany 5 ireo mitaha amin’ny RALE, raha toa ka nihena 240 451 isa kosa ny Faritanin’Antananarivo. Raha tsinjaraina dia nihena -228 436 ny eto Analamanga, -13 587 ny ao Vakinankaratra, -8313 ny tao Bongolava. Ho an’Antananarivo dia manana mpifidy 3 393 121 raha 3 633 572 ny RALE ; Fianarantsoa niampy 177 992 ka 2 107 847 ny mpifidy; Mahajanga niampy 165 172 ka 1 381 141 ny mpifidy ; Toamasina niampy 81 472 ka 1 685 545 ny isan’ny mpifidy ; Antsiranana niampy 68 191 ka 844 545 ny mpifidy ; ary Toliara niampy 41 426 ny mpifidy, ka 1 631 637 ny lisitra farany. Fifandrifian-javatra sy tena araka ny lojika be ilay fihenana isan’ny mpifidy tamin’ny fanavaozana manontolo mitaha amin’ny RALE kanefa ilay fanavaozana manontolo no tena nanaovana “tam tam” sy hetsika samihafa hatramin’ny Fitsarana mitety vohitra? Dia tena hoe: Antananarivo no nalaina sy nihevitra fa efa ao anaty RALE dia tafiditra anaty fanavaozana manontolo fa ny tany amin’ny toeran-kafa tena nahalala ny antsipirihany ve?

INONA NO FIHETSIKY NY SEHATRA IRAISAM-PIRENENA ?
Ny 09 jona 2023 nandritra ny fihaonana teo amin’ny Filoha Frantsay Emmanuel Macron sy ny Filoha Malagasy Andry Rajoelina no nilaza ny Frantsay fa vonona hanampy ara-bola ny fifidianana amin’ny alalan’ny basket fund. Izay izay isan’ny to teny eo anivon’ny Vondrona Eoropeanina, vao resaka Madagasikara. Ny Vondrona Eoropeanina sy ny Firenena Frantsay hatreto no nanome 1 tapitrisa Euros avy hanaovana fifidianana, ankoatra ny Alema izay tsy voafaritra mazava. Fitaovana mitentina 4,5 miliara Ar izay ahitana fiara 10 sy moto 158 kosa no anjara birikin’ny Japonaisa. Ireo ihany aloha no ofisialy hatreto. Nisy ny fivoriana notarihin’ny FES (Friedrich Ebert Stiftung) izay namoriana ireo mpanao politika, namoahana ilay “charte de bonne conduite” izay tao ny antoko nanasonia, ary misy ny tsy nanao. Tsy dia re intsony ny tohiny! Namory mpanao politika fanintelony kosa ny CENI ny 27 jolay, izay teo ambany Fiahian’ny Sampan-draharahan’ny Firenena Mikambana, ary mbola niantsoana izay rehefa vonona ny mbola hanampy. Tsikaritra ho manara-maso fatratra ny sehatra iraisam-pirenena satria saika tazana ny ankamaroan’ireo iraky ny firenena vahiny. Na izany aza, tsy mbola tena mirohotra mandrotsa-bola ka miandry antoka mazava ve ?

AHIAHY TSY HIHAVANANA
Isan’ny nanamarika ny raharaham-pifidianana ihany koa anefa ny fahatongavan’ny iraky ny SADC teto, izay nihaino ireo herivelona samihafa nahatratra 34. Samy noraisina na ny mpitondra na ny mpanohitra, fa rehefa zohiana dia henjana ny fiampangana izao fitondrana ankehitriny izao. Teo ny maha vazaha taratasy ny Filoha ankehitriny, fa eo ihany koa ny ahiahy ara-pifidianana. Nisy mihitsy ny valin-teny iraisana nataon’ireo Antoko mpanohitra sasany, izay niompana tamin’ny filazana fa tsy feno ny fepetra hisian’ny fifidianana madio sy milamina ary mangarahara. Tonga hatramin’ny fangatahana fametrahana governemanta iraisana hikarakara sy hanomana ny fifidianana, na milaza aza fa tsy ekena ary tsy mitady tetezamita. Rehefa zohiana, misy ny endrika ivelany maneho, fa tena hisy ny fifidianana, fa eo ihany koa ny ahiahy politika hoe : amin’izao endriny izao ve sa sao tokony hisy fikitihana rafitra na pitsopitsony hafa hametrahana fitsipi-dalao mazava ? Na ho ela na ho haingana tsy maintsy hisy ny fifidianana ka asa izay mety sary politika hiseho ?

Toky R

 

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Notanterahina omaly teny amin'ny Gara Soarano ny lanonana politika fametrahana samboady ireo

Card image cap
24-juil-2024

Mitady minisitra volamena tonga dia tsy kosehina intsony fa avy dia mitondra fahazavana

Card image cap
24-juil-2024

Tsy mahafaty ny mahatsikaiky! na koa hoe «Le ridicule ne tue pas!»,

Card image cap
24-juil-2024

Aiza sy nankaiza ny Filohan’ny Delegasionina manokan’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra Atoa Ramanambitana Richard ?

Card image cap
24-juil-2024

Efa mitovy salan’isa amin’ireo tantsaha mpamokatra eto amintsika izany hoe :

Card image cap
24-juil-2024

Mbola vitsy ireo vehivavy misahana andraikitra ambony na miantsehatra eo amin’ny

Card image cap