airtel

Politique

30-août-2021

Politique

Fifidianana 2023 Manao pi-maso amin'ny Diaspora i Rajoelina

Sample post image

Namory olona tao Frantsa ny Filoha Andry Rajoelina ny sabotsy lasa teo. Nandritra io no niresahany ny antony nihaonany tamin’ny Filoha Frantsay Emmanuel Macron.

30-août-2021

 Nilaza i Andry Raoelina fa nisy ny nandoto rano ka nampisy rahona teo amin’ny fifandraisana teo amin’i Frantsa sy Madagasikara. Izay indrindra no anton’ilay fihaonana manokana teo aminy sy ny Filoha Frantsay Emmanuel Macron. “Betsaka ny rahona na nandalo, ary betsaka ny nandoto rano. Adin’ny iray sy fahefany ny firoana niarahanay sy ny Filoha Frantsay manokana. Rehefa ohatr’ireny miaraka amin’ny minisitra manokana hoe inona ny zavatra hatao sy fiaraha-miasa, fa izaho no nangataka hoe: aleo “tête à tête”, hamoahan’ny ny andaniny sy ny ankilany ny zavatra ao am-pony”, hoy I Andry Rajoelina. Moa tsy ny Minisitry ny serasera sy ny kolontsaina Rtoa Lalatiana Rakotondrazafy ihany ve, ohatra, no nilaza fa ny Frantsay no ao ambadiky ny fanakorontanana eto? Moa tsy io minisitra io ihany no niteny fa mpitsikilo irahin’ny Frantsay I Paul Maillot Rafanoharana? Ny mpanohana sy mpomba ny Fitondrana ankehitriny tamin’ny ankampobeny no nivoy, fa ny Frantsay no tompon’antoka ankolaka na ao ambadiky ny raharaha “Apollo 21”,… saingy lasa ny Filoha izany no milaza ho lasibatra na “victime” tamin’ny fandotoana rano momba ny fifandraisany amin’I Lafrantsa.
HIFIDY NY DIASPORA ANY FRANTSA
Nanao pimaso tamin’ireo Diaspora ka ahafahan’izy ireo mifidy amin’ny 2023 i Andry Rajoelina. Na vitsy aza ny Malagasy any ivelany, misy lanjany amin’ny lafiny maro: ara-tserasera, ara-bola, hevitra, fahalalana amam-pahaizana,… Azo antoka fa hihena ny fanohanan’ny olona an-dRajoelina amin’izao, ka mety mitady izay fomba hahazoana vato hafa. Ny fikafika ara-pifidianana mety handeha hatrany, ary maro no mivazivazy hoe: raha “doublon” ny voambolana nalaza teo aloha, mety ho lasa “triplon” indray atsy ho atsy. “Raha ny fahitana anareo maro be tahaka izao dia tokony hatao mihitsy ny zo afaka hifidy. Atomboka amin’ny 2023, amin’ny fifidianana Filoham-pirenena dia handray anjara amin’ny fifidianana Filoham-pirenena ny Diaspora any Frantsa. Misy fandaminana tsy maintsy atao, tokony hisoratra anarana amin’ny Masoivoho, ka tokony hanana “carte consulaire” avokoa. Nilaza I Andry Rajoelina fa efa niresaka tamin’ny Ambasadaoro, ka ampiana ary zaraina telo ny mpiasa hanao an’io. Misy ny faritra Atsimo, Avaratra, ary Afovoany, ka afaka misoratra anarana araka ny toerana misy azy”, hoy I Andry Rajoelina. Tsiahivina fa tsy navela hanatrika io fotoana io ireo RMDM Diaspora. Ny Diaspora mpanohitra izany hosamborina sy hogadraina na mety tsy ho tafiditra anaty lisi-pifidianana, ary ny Diaspora mpomba ny fitondrana homena kara-pifidianana? Efa fikafika mahazatra io. ny kandida mafimafy eto mety ho tratry ny antsojay sy fikafika isan-karazany, toa an’i Marc Ravalomanana, Siteny Randrianasoloniaiko izay malaza hirotsaka.
Toky R
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Nivadika ny rasa, nanapa-kevitra ny tsy hanohana ny kandida solombavambahoaka avy amin’ny

Card image cap
25-avril-2024

Tsy hitondra fitoniana eto amin'ny firenena ny fifidianana kasaina hatao eto Madagasikara

Card image cap
25-avril-2024

Raharaha isan’ny mitana ny sain’ny maro ankehitriny ny nampidirana am-ponja an-dRtoa Ramalason Olga,

Card image cap
25-avril-2024

Mila averina ny hasin’ny fanabeazana eto Madagasikara, hoy ny antoko politika RCR-Tolona,

Card image cap
25-avril-2024

Mitohy ny fanamboarana ireo làlana mampitaraina ny vahoaka ao Ambohimanarina.

Card image cap
24-avril-2024

Nampanantsoina teny anivon’ny tendrom-pitsarana misahana ny ady amin’ny kolikoly na ny PAC (Pôle anti-corruption) 67ha,

Card image cap