airtel

Politique

24-juil-2023

Politique

Fifidianana 2023 Maro ny zavatra tsy ampoizina mety hitranga

Sample post image

Manana iray volana sy tapany katroka sisa i Andry Rajoelina hitantanana ny firenena, raha toa ka mbola ho kandida Filoham-pirenena amin’ny fifidianana manaraka eo.

24-juil-2023

Tsy maintsy miala 60 andro mialohan’ny datin’ny latsa-bato mantsy ny Filoham-pirenena am-perinasa raha kandida, raha ny voalazan’ny làlampanorenana ao amin’ny andininy faha-46. Ny 10 septambra izy no miala farafahatarany satria ny 09 novambra ny fihodinana voalohany. Inona no mety hitranga mandra-pahatongan’izay fotoana izay? Tena hilamina ve ny toe-draharaha politika eo anatrehan’ny adihevitra samihafa mialohan’ny fifidianana? Efa nivoaka ny daty, efa nampanantena nilaza fanomanana ara-bola 1 tapitrisa euros avy ny Vondrona Eoropeanina sy ny Frantsay, efa namoaka ny rejisi-pifidianana nasionaly ny CENI,… Fenon’ireo ve ny fepetra ara-politika hiatrehana ny fifidianana? Manao ahoana ny adihevitra mikasika ny CENI sy ny HCC? Raha ny loharanom-baovao azo aloha hatreto, dia mbola mifamahofaho be ihany ny toe-draharaha amin’ny lafiny iray. Mbola misy mantsy ny fikotrehana sy fiketrehana ara-politika momba ny mety hisiana fanovan-drafitra mialohan’ny fifidianana, mandeha ny fikononkonona politika samihafa, ary tsy eto ny samy Malagasy ihany fa hatramin’ny vahiny no voalaza fa mijery akaiky an’io. Na misy aza ireo kandida efa mikofokofoka manao hetsika samihafa, misy ireo antoko sy vovonana manizingizina fa tsy hisy herijika ho an’ny kandida hafa eo fa ho lasan’I Andry Rajoelina ambongadiny raha tsy miova ho tsy mitanila ireo rafitra isan-tsokajiny miantsoroka mivantana sy ankolaka ny fifidianana. Maro mantsy no miahiahy, fa ireo rafitra miantsoroka ny fifidianana dia misy dian-tànan’ny filoha ankehitriny avokoa na ny CENI, na ny HCC, na ny Minisiteran’ny Atitany,… izay mety tsy ho fahadisoany, fa ny lalàna nametrahana azy ireny mihitsy no mety ho niteraka ny olana. Betsaka rahateo ny adihevitra sy ny soso-kevitra momba ny tokony hanintsiana ny lalàna mifehy ny fifidianana, saingy isan’ny niziriziry mafy tsy hikitika izany ny Fanjakana Rajoelina. Na efa tany amin’ny fisasahan’ny taom-piasany aza no efa nandeha ny adihevitra samihafa, efa nisy ihany koa ny karazana toromarika fanatsarana na “recommandations” nataon’ny Vondrona Eoropeanina mikasika ny lalàna sy pitsopitsony ara-pifidianana niainga tamin’ny fifidianana 2018,… dia ninia tsy niraharaha izany firy ity Fitondrana ity. Efa taty amin’ny fotoana farany vao nilaza fa lasa manakorontana raha izao vao handeha hikitika lalàna, ary nolazaina fa tsy hanao izany mba tsy ho voahenjika ho nanefy lalàna araka izay mety aminy ny fitondrana Rajoelina. Lojika ny azy satria mety hampikorontana ny daomy sy ny hampalefy tanteraka ny herijikany raha hitsimbadika ny rafitra. Ankilany, tena mbola misoko ny fanatsimbadihana pejy satria betsaka no tsy mahatoky, ka voalaza fa isan’ny mbola mampisoko ny adihevitra politika toy ny fiezahana hametraka ilay GENIE (Gouvernement d’Entente National Intermédiaire des Elections) izay heverina fa ho rafitra hitantanana ny firenena hizorana amin’ny fifidianana ny zava-misy. Na ireo hoe ho kandida, na ny tsy ho kandida dia mbola tsy fantatra tsara izay tena ho fivoakany. Politika no atao ary samy manana ny paikadiny, fa tsy izay mihakazakaza mialoha koa anefa no hoe handresy na izay miainga faramparany no ho tara, tahaka ilay anganon’ny bitro sy ny sokatra .Samy miandry izay hiseho ny rehetra!
Toky R
 

Dans la même rubrique

23-mai-2025

Mbola vao volana mey isika izao, saingy zava-doza ny fahatapatapahan'ny herinaratra,

Card image cap
23-mai-2025

Miteraka resabe amin’izao fotoana izao ny raharaha mikasika ny ben’ny tanànan’i Talata Volonondry

Card image cap
23-mai-2025

pirenena intsony ny zava-bitan'ny governemanta!»

Card image cap
23-mai-2025

Misy zavatra hafahafa ihany amin’ny toe-draharaha politika eto amin’ny firenena tato ho ato izay.

Card image cap
23-mai-2025

Mitohy ny fihetsika hafahafa ataon'ny Filoham-pirenena izay tsapa sy tsikaritra

Card image cap
23-mai-2025

Nambara fa maro ny zavatra vita ao Nosy Be fa hapetraka ihany koa ny fanamby

Card image cap