dia nankatoavina ny hanaovana ny antso ho an’ireo mpiara-miombon’antoka, firenena vahiny, fikambanana iraisam-pirenena sy fikambanana tsy miankina amin’ny Fanjakana ary ny fiarahamonim-pirenena mba handefa mpanara maso ara-pifidianana na iraisam-pirenena na avy eto an-toerana ihany koa, izay hiasa mandritra ny fanomanana ny fifidianana hifanesisesy hatrehantsika eto Madagasikara manomboka amin’ny faran’ity taona 2023 ity. Mandeha izany ny antso hiavian’ny mpanara-maso, raha toa ka mbola baraingo kosa ny hoenti-manana ara-bola izay mbola handresen-dahatra ireo mpiara-miombon’antoka. Hatreto mantsy, notombatombanan’ny CENI ho 33 tapitrisa dolara na 142 miliara Ar eo ny vola ilaina. Mbola mandeha ny fifampiresahana amin’ny mpiara-miombon’antoka ka asa hoe: hanao ahoana satria nisy ihany koa ny fanatsarana na “recommendations” nasain’izy ireo natao niainga tamin’ny fifidianana 2018 izay tsy mbola nisy tanteraka aloha hatreto amin’ny ankambeny. Miantso mpanara-maso ihany koa isika, saingy hatreto mbola baraingo ny tetiandrom-pifidianana hoe: rahoviana marina?
Toky R
Sary fanehoana
Mbola vao volana mey isika izao, saingy zava-doza ny fahatapatapahan'ny herinaratra,
Miteraka resabe amin’izao fotoana izao ny raharaha mikasika ny ben’ny tanànan’i Talata Volonondry
Misy zavatra hafahafa ihany amin’ny toe-draharaha politika eto amin’ny firenena tato ho ato izay.
Mitohy ny fihetsika hafahafa ataon'ny Filoham-pirenena izay tsapa sy tsikaritra
Nambara fa maro ny zavatra vita ao Nosy Be fa hapetraka ihany koa ny fanamby