airtel

Politique

04-avril-2022

Politique

Fifidianana 2023 Tena ho sahirana i Rajoelina

Sample post image

Herintaona sy tapany tsy hahatongavana amin’ny fifidianana Filoham-pirenena amin’ny 2023 isika amin’izao fotoana izao. Mitombina 90% fa mbola ho kandida ny Filoha am-perin’asa Andry Rajoelina.

04-avril-2022

Iny naneho iny ny mpandraharaha Mamy Ravatomanga ny zoma 01 aprily teo, fa manohana ary mbola hanohana sy handrisika an-dRajoelina hirotsaka. Ho an’ny mpandraharaha tahaka ireny, zava-dehibe aminy ny fitonian’ny tontolo ara-pandraharahana na “climat des affaires”, ary nitsotra an’izany io mpandraharaha goavana io. Na ny mpandraharaha Mbola Rajaonah aza tamin’ny fotoan’androny nandritra ny fifidianana 2018, dia naneho tamin’ny fanohanany an’i Marc Ravalomanana, fa ity farany no afaka hametraka fitoniana ara-pandraharahana. Mitovitovy, ary samy mitady fitoniana sy antoka ho azy ny mpandraharaha, ka mahatonga ny sasany hialokaloka amin’ny mpitondra io. Mety amin-dRavatomanga izany raha mbola fahalanian-dRajoelina. Na izany aza, tena ho araka izany ve ny ho fizotry ny politika? Mbola manana antoka sy toky ve ity mpandraharaha goavana ity fa handresy Rajoelina na eo aza ny tohana sy ny kajikajy samihafa? Henjana ny fandidiana eo, ary ahiana ny mety ho fitsimbadihana ara-politika. Ratsy toerana i Andry Rajoelina ankehitriny, ary matoa nanao an’iny fandaharana iny aloha Atoa Mamy Ravatomanga dia ao raha, ary mety manana ny hambo-po politikany tsy ampoizina. Eto amintsika ihany koa, fahita amin’ny politika ny hoe: tsy mitaingina soavaly maty, ary ny fanomezan-toky anio mety hivadika fitsipahana rahampitso. Be ronono tamin’ireo namany izany Hery Rajaonarimampianina izany, saingy nisintaka tsikelikely ny ekipa rehefa nanomboka ho ratsy ny fandehany, ka nirotsaka hofidiana ny Praiminisitra, minisitra,… Tao ny nandeha nanohana kandida hafa. Ho sarotra ny miandry an-dRajoelina, izay miiba ny vokatra mitaha ny Fanjakana teo alohany, izay 8% no azony tamin’ny fifidianana. Ara-politika, miha marefo ny mpanara-dia amin’ny Fitondrana, ka porofo iray lehibe io fisintahan’ny MMM (Malagasy Miara-Miainga) tarihin’i Hajo Andrianainarivelo io. Antoko voasokajy ho matanjaka indrindra nanohana ny Fitondrana raha refesina amin’ny olom-boafidy ananany. Hatramin’ireo depiote lany tamin’ny lokon’ny IRD/MAPAR dia TGV avokoa. Mbola baraingo no hafitsony amin’ny 2023! Etsy andaniny, miakatra ho azy ny herijikan’i Marc Ravalomanana, izay mbola mpifanandrina mafy amin-dRajoelina. Ny tsy fahombiazan’ny Fanjakana Rajoelina ankehitriny, dia miteraka fahatsiarovana sy fampitahana fa hafa ihany ny tamin’ny andron’i Dada. Ny fahalanian-dRajoelina tamin’ny 2018 efa adihevitra be, niteraka tsy fahamarinan-toerana hatramin’izao, ary ho sarotra tanteraka ho azy ny 2023! Manampy trotraka izany, ity Fanjakana ity no be afera sy “scandales” indrindra tao anatin’ny 60 taona ka isan’ny mampihen-danja azy io.Ary farany, hita fa miha mahazo ambiansy amin’ny fanaovana politika ny ben’ny tanànan’Antananarivo Renivohitra, Atoa Naina Andriantsitohaina izay isan’ireo mpandraharaha mpanefoefo mpanohana fatratra an-dRajoelina hatramin’izay, saingy tsy fantatra izay hataony rehefa manakaiky eo ny 2023.
Legende: Samy akaikin-dRajoelina i Ravatomanga sy Andriantsitohaina, ary hita fa samy te hanao zavatra goavana kokoa.
Toky R
 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Efa fiainana ilay miaraka amin’ny vahoaka, hoy ny kandida ho solombavambahoaka ao Manjakandriana, Dr Fidy Bariniaina.

Card image cap
25-avril-2024

Nivadika ny rasa, nanapa-kevitra ny tsy hanohana ny kandida solombavambahoaka avy amin’ny

Card image cap
25-avril-2024

Tsy hitondra fitoniana eto amin'ny firenena ny fifidianana kasaina hatao eto Madagasikara

Card image cap
25-avril-2024

Raharaha isan’ny mitana ny sain’ny maro ankehitriny ny nampidirana am-ponja an-dRtoa Ramalason Olga,

Card image cap
25-avril-2024

Mila averina ny hasin’ny fanabeazana eto Madagasikara, hoy ny antoko politika RCR-Tolona,

Card image cap
25-avril-2024

Mitohy ny fanamboarana ireo làlana mampitaraina ny vahoaka ao Ambohimanarina.

Card image cap