airtel

Politique

23-oct-2023

Fifidianana amin’izao endriny izao

Na ny eto an-toerana na ny iraisam-pirenena tsy dia resy lahatra…

Sample post image

Miharihary tanteraka ny fisian’ny tsy fahatomombanana raha tena hizorana ny fifidianana kasaina hatao amin’ny 16 novambra ho avy izao.

23-oct-2023

Tsy takona hafenina ny lesoka goavana na ara-politika na ara-teknika, izay manamafy fa vao mainka hampidi-kizo ny firenena ny fanaovana tery vay manta an’io. Ara-politika, ny 90%n’ny kandia no manatsikafona ny teti-dratsy ara-politika amin’ny fanomezana tombondahiny kandida iray izay hita taratra amin’ny endriny maro: fahafahan’ny kandida efa nanary ny zom-pirenena Malagasy kanefa mbola afaka milatsaka, fitongilanan’ny governemanta, fampitanilana ny fitantanan-draharaham-panjakana, herisetra politika miseho amin’ny endriny maro,… Hatramin’ny sehatra iraisam-pirenena manamafy ny ahiahy eo anatrehan’ny trangan-javatra maro: herisetra, tsy fanajana zon’olombelona, fa fanitsakitsahana ny zo fototra maha olona, tsy fanajana ny fifanarahana iraisam-pirenena momba ny zo sivily sy zo politika nosoniavin’I Madagasikara. Ara-teknika, mbola mitoetra ny tsy fahatokisana ny lisi-pifidianana, ny rafitra mpikaraka sy mpitsara ny fifidianana,… Raha ny fifidianana nifanesy teto, iray volana mialoha na alohan’izany aza, dia efa tena eny an-kianja ny mpanara-maso eto an-toerana sy iraisam-pirenena, tahaka ny fifidianana solombavambahoaka nialohan’ny fotoana ny taona 2002, ny fifidianana filoha ny taona 2006, 2013, 2018. Aiza ry zareo amin’izao? Ny iraisam-pirenena tsy dia tazana na manara-maso akaiky ny toe-draharaha aza ny Fianakaviambe iraisam-pirenena? Ny iraka avy amin’ny SADC izay tarihin’n Filoha Tanzanianina aza ambaran’ireo kandida fa sakanan’ny Fanjakana amin’ny alalan’ny governemanta tsy ho tonga eto hatramin’izao satria efa in-telo nihemotra ny fahatongavany satria voalaza fa tsy mivoaka ny “accreditation” avy amin’ny Minisiteran’ny raharaham-bahiany. Ahiana ho tetika hoenti-manamafina ny olana sy ny tena zava-misy eto na efa tsy takona hafenina intsony aza. Midika ny zava-misy fa tsy izy mihitsy ny fifidianana kasaina atao eto Madagasikara na eo amin’ny fomba fijery nasionaly na iraisam-pirenena.
Toky R
 

Dans la même rubrique

23-mai-2025

Mbola vao volana mey isika izao, saingy zava-doza ny fahatapatapahan'ny herinaratra,

Card image cap
23-mai-2025

Miteraka resabe amin’izao fotoana izao ny raharaha mikasika ny ben’ny tanànan’i Talata Volonondry

Card image cap
23-mai-2025

pirenena intsony ny zava-bitan'ny governemanta!»

Card image cap
23-mai-2025

Misy zavatra hafahafa ihany amin’ny toe-draharaha politika eto amin’ny firenena tato ho ato izay.

Card image cap
23-mai-2025

Mitohy ny fihetsika hafahafa ataon'ny Filoham-pirenena izay tsapa sy tsikaritra

Card image cap
23-mai-2025

Nambara fa maro ny zavatra vita ao Nosy Be fa hapetraka ihany koa ny fanamby

Card image cap