airtel

Politique

10-juil-2024

Fifidianana ben’ny tanàna

Mafana ny adihevitra mikasika an’Antananarivo

Sample post image

Raha ny tolokevitrana volavolana tetiandro natolotry ny CENI na vaomiera mahaleotena

10-juil-2024

misahana ny fifidianana tamin’ny volana febroary moa dia ny alarobia 6 novambra izao no heverin’izy ireo fa fotoana mety tsara hanatontosana ny fifidianana ben’ny tanàna sy mpanolontsain’ny tanàna manerana an’ireo kaominina miisa 1695 eto Madagasikara. Manomboka mafana ankehitriny ny adihevitra mikasika an’Antananarivo, amin’ny maha renivohitry ny nosy azy. Azo atao hoe nisantatra ny fahavononany handray anjara amin’izany moa ny filohan’ny filankevim-pitantanan’ny kaompaniam-pitaterana ana habakabaka Madagascar Airlines teo aloha, Rinah Rakotomanga, izay azo ambara ihany koa hoe tanan-kavanan’ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina, nandritry ny fotoana maro kanefa moa tamin’ity dia nilaza izy fa hirotsaka amin’ny anarany manokana. Isan’ny vinanian’ny mpanara-baovao hirotsaka ho isan’izay mpifaninana haka ny fanalahidin’ny lapan’ny tanàna izay ihany koa ireo mpandraharaha eo amin’ny sehatry ny haino aman-jery, Andry Raobelina, sy Tahina Razafinjoelina. Ity farany moa nanambara omaly fa miankina amin’ny fanapahan-kevitry ny antoko politika sy vovonana politika izay tarihiny, dia ny Tia tanindrazana sy Firaisankinan’ny tia tanindrazana, izany. Noheverina ho ivon’ny adilahy politika foana hatramin’izay ny tanànantsika, hoy ny efa nanao fanambarana fa ho isan’ny kandida, ka aleo ovaina izany fomba fijery izany. Ovaina mihitsy, hoy izy, ny lazan’ny tanànantsika ka mila ny fifanomezan-tanan’ny rehetra. Fomba fanehoan-kevitra na hoe «langage» tsy dia vaovao teo amin’ny tantaran’ny fifidianana teto Madagasikara, indrindra, ny fifidianana izay hitondra ny tanànan’Antananarivo ihany nefa no fahitan’ny mpanara-baovao azy. Ny fandresen-dahatra manohy izany no andrasana, mazava ho azy.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

23-mai-2025

Mbola vao volana mey isika izao, saingy zava-doza ny fahatapatapahan'ny herinaratra,

Card image cap
23-mai-2025

Miteraka resabe amin’izao fotoana izao ny raharaha mikasika ny ben’ny tanànan’i Talata Volonondry

Card image cap
23-mai-2025

pirenena intsony ny zava-bitan'ny governemanta!»

Card image cap
23-mai-2025

Misy zavatra hafahafa ihany amin’ny toe-draharaha politika eto amin’ny firenena tato ho ato izay.

Card image cap
23-mai-2025

Mitohy ny fihetsika hafahafa ataon'ny Filoham-pirenena izay tsapa sy tsikaritra

Card image cap
23-mai-2025

Nambara fa maro ny zavatra vita ao Nosy Be fa hapetraka ihany koa ny fanamby

Card image cap