Ireo kaominina miisa 26 nodidiana haverina aza ny fifidianana tsy tanteraka hatramin’izao. Hifarana amin’ity taona ity anefa ny taom-piasan’ireo ben’ny tanàna. Ny faran’ny herinandro teo, nanaiky ny fisian’ny ahiahy amin’ny mety hifanitsahany amin’ny fifidianana Filoham-pirenena ny CENI. Nanipika rahateo ny Filohan’ny CENI Atoa Dama Andrianarisedo, fa tsy misy lalàna mamaritra an’izay toe-javatra sy fifanitsahana izay. Voalazan’ny lalàna kosa etsy andaniny, fa raha misy ny fifanitsahana eo amin’ny fifidianana Filoham-pirenena sy fifidianana solombavambahoaka, dia ny fifidianana solombavambahoaka no tokony hiandry. Tsy voaresaka kosa ny fifidianana kaominaly. Tena ilàna fandinihana sy adihevitra io, raha ny fahitan’ny CENI azy. Tsy io vaomieram-pifidianana io irery rahateo no manapaka amin’ny toe-javatra tahaka izao, ary tsy afaka ny hitsara, na handray ny toeran’ny Fitsarana misahana izany toy ny HCC na rafi-pitsarana hafa mahefa amin’io. Tany aloha moa, nisy ny antoko na mpanao politika niahiahy, fa misy fikasana hanohy hatramin’ny jona 2024 ny fe-potoana isan’ny ben’ny tanàna. Tao ihany koa ny firaisamonim-pirenena sy antoko politika izay nanipika mazava, fa tokony havoaka ho fantatry ny rehetra ny tetiandrom-pifidianana. Raha tokony ho izy, mila hajaina ny tetiandro sy fotoana tokony hanaovana ben’ny tanàna. Raha ny fifidianana ben’ny tanàna no tokony handeha alohan’ny fifidianana Filoha, dia izay no mila hatao. Tahaka izany ihany koa ny fifidianana depiote, raha tapitra ny tetiandro. Ny fahita mantsy, raha ny fifidianana filoha no lasa aloha, ka efa misy filoha lany ofisialy alohan’ny fifidianana ben’ny tanàna na depiote, dia ho raikitra indray ny fanaovana “ratsy tarehy mangata-bady, ka ny anaran-dray no enti-mangataka”. Hialoka ao an-damosin’ilay Filoha vao lany, ary mety handeha hatrany ny fampiasana fahefam-panjakana. Ny fifidianana depiote ihany koa no tokony ho mety somary taratry ny fifidianana Filoham-pirenena.
Toky R
hahantra fadiranovana sy tsy handroso izany fa tena miankina amin’ny safidy sy fanapahan-kevitra
Manoloana izao fahasahiranam-be mahazo ny firenena sy ny vahoaka izao,
Mena ny tondro rehetra ary ambony risika mety hisian’ny fipoahana ara-politika eto vokatry ny krizy amin’ny
Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy tao amin’ny foiben’ny Dubaï Chambers ny
Miantoka ny fandehanan’ny fiainan’ny mponina eny ifotony ny
Nanatanteraka fitsidihana ara-pomba ofisialy tao amin’ny tanànan’i Morondava ny