airtel

Politique

02-févr-2024

Fifidianana ben’ny tanàna sy depiote

Ampanarahana ny sitrapon’ny mpitondra…

Sample post image

Tsy maintsy hotanterahana amin’ity taona ity ny fifidianana ben’ny tanàna sy ny

02-févr-2024

solombavambahoaka, hoy ny Praiminisitra Ntsay Christian omaly teny amin’ny Antenimierampirenena eny Tsimbazaza. Anjaran’ny Filankevitry ny minisitra anefa no manapaka aorian’ny tolo-kevitra avy amin’ny CENI, raha ny nambarany. « Manara-dalàna ny governemanta! Nanoratra tany amin’ny HCC aho satria tapitra ny 10 janoary ny taom-piasana. Tsy zava-baovao izany fa efa niainana hatramin’ny 2018. Namaly ny HCC fa azo atao ny mampitombo kely ny fotoam-piasan’ny ben’ny tanàna sy ny mpanolontsina, ka nanaraka izay ny governemanta, namoaka ny rijan-teny. Ny resaka daty dia tsy maintsy tapahana amin’ny filankevitry ny minisitra », hoy ny Praiminisitra Ntsay Christian. Nambarany fa ho fantatra afaka fotoana fohy hoe : inona no atao mikasika ny fifidianana. Izay no tsy maintsy nanarahana ny lalàna ka nanaovana ny fifidianana filoham-pirenena, hoy ny Praiminisitra. Tsara anefa ny mampahatsiahy fa tao anatin’ny lonilony ny fifidianana farany teo, ary nisy ny fitakiana maro samihafa fa mila diovina sy halamina aloha. Nahoana no tsy maintsy ara-potoana ny fifidianana filoham-pirenena fa afaka ahemotra amin’ny fanalavam-potoana ny an’ny ben’ny tanàna rehefa izay no maha metimety ny mpitondra? Tsara moa ny mampahafantatra fa nankatoavin’ny HCC tamin’ity herinandro ity ny hanovana ho 5 taona ny fe-potoana hiasan’ny Ben'ny tanàna sy ny Mpanolotsaina raha toa ka 4 taona izany teo aloha. Miandry ny didy fampiharana avy amin’ny filoham-pirenena izany io. Isan’ny nentin’ny governemanta dinihana amin’ny fivoriana tsy ara-potoanan’ny antenimierampirenena moa ny lalàna 2014-020 mikasika ny vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana, izay rehefa dinihina dia miandry ny fahavitan’iny mihitsy izany vao hanapaka mikasika ny fifidianana, izany hoe : azo atao tsara ihany no mikitika sy manatsara lalàna raha ilaina, saingy nanaovana bemarenina ny mpanohitra tamin’ny fifidianana filoham-pirenena teo, ka nisy ny nandrirotra hoe : amin’izao efa fotoana fohy izao ve vao hikitika kanefa tao anatin’ny fotoana lava tena ninia nanentsi-tadiny. Ny eo anivon’ny CENI kosa milaza fa aorian’ny 15 may hahavitan’ny fanavaozana isan-taona ny lisi-pifidianana vao azo tanterahana ny fifidianana. Samy miandry ny ho fizotrany sy ny fisehony satria fifidianana manakaiky vahoaka kokoa ireo ho avy ireo ary stratejika be ho an’ny fifandanjan-kery politika, raha tena fifidianana milamina, fa hatreto aloha dia toa izay maha diavolana ny sian’ny mpitondra no atao.
Toky R
 

Dans la même rubrique

16-mai-2024

Hiakatra eo anivon’ny PAC na «Pole anti-corruption», izany hoe ny fitsarana miady amin’ny kolikoly,

Card image cap
16-mai-2024

𝖭𝗈𝖿𝖺𝗋𝖺𝗇𝖺𝗇𝖺 androany 𝟣𝟧 𝗆𝖾𝗒 𝗋𝖾𝗃𝗂𝗌𝗂-𝗉𝗂𝖿𝗂𝖽𝗂𝖺𝗇𝖺𝗇𝖺 𝗇𝖺𝗌𝗂𝗈𝗇𝖺𝗅𝗒 𝖺𝗁𝗂𝗍𝖺𝗇𝖺 𝗂𝗋𝖾𝗈 𝗅𝗂𝗌𝗂𝗍𝗋𝗒 𝗇𝗒 𝗆𝗉𝗂𝖿𝗂𝖽𝗒 𝗂𝗌𝖺𝗄𝗒 𝗇𝗒 𝖽𝗂𝗌𝗍𝗋𝗂𝗄𝖺.

Card image cap
16-mai-2024

Izany tambin-karama izany dia misy any amin’ny orinasa tsy miankina sy orinasam-panjakana,

Card image cap
16-mai-2024

Nanomboka ny alarobia 08 may ary mifarana ny alatsinainy 27 mai 2024 amin'ny sasakalina ny fampielezan-kevitra.

Card image cap
16-mai-2024

Raikitra ny tosika propagandy ankolaka ataon’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina amin’ny alalan’ny fitetezam-paritra sy fanolorana zavatra.

Card image cap
16-mai-2024

Mitaky tany tan-dalàna sy ny demokrasia ary ny fanjakana tsara tantana ny fampandrosoa na firenena izany,

Card image cap