na ho an’ny antokon’ny fitondrana, eny fa na ny any amin’ny fanoherana aza mafana ny adihevitra Ny mpitondra no efa namoaka fa mikendry toerana 120 izay karazana fandemen-tsaina ho an’ny mpanohitra ihany. Ao anatin’izao voka-pitantanana tsy mahomby amin’ny ankampobeny izao ve no heverina fa mbola hisian’ny fahatokisam-bahoaka ? Azo lazaina ho efa fanaovana tsipaky ny miala aina io ho an’ny antokon’ny fitondrana satria ity 5 taona ity sisa no heverina hitondran’ny TGV, ka hanao izay faraheriny hahazoana maro an’isa amin’ny fomba rehetra. Ny lojikan’ny fifidianana filoham-pirenena farany teo izay nandeha ila tamin’ny ankampobeny ary afaka nanao izay tiany tao ny mpitondra aza 54% ny vokatra, tsy narisika ny mpifidy, ambany ny taham-pandraisana anjara, 2,8 tapitrisa tamin’ny mpifidy 11 tapitrisa mahery no voalaza fa nampandany an’i Andry Rajoelina. Raha io salan’isa azony tamin’ny fifidianana filoham-pirenena no voatazona eny Tsimbazaza dia antsasa-manila mahery kely amin’ny depiote 151, izany hoe : manodidina ny 80 isa eo. Mbola tsy vita ny fifidianana tamin’ny 2019 fa teo am-piandrasana ny valiny no nilazan’Atoa Andry Rajoelina tany Frantsa fa efa manana depiote 83 eo ny antokony. Raha ny lojikan’izay 5 taona lasa izay, tena mitombina ve ny hahazoan’ny volomboasary ny maro an’isa eo anatrehan’ny toekarena mitotongana, vidim-piainana midangana, làlana saika manerana ny distrika sy ny kaominina tapitra potika, tsy fandriampahalemana, laza ratsy ara-pitantanana,… ? Ny sary mitranga dia toa don-tandroka ara-politika no betsaka, kajikajy hanilihana ny kandida manan-kevitra sy tiam-bahoaka fa tsy manam-bola no miseho,… Lalaovina tanteraka ny hoe : any ny fahefana, eo am-pelantanana ny rafi-panjakana samihafa (administration), any ny vola,… ka lojika be ny fandresena sy fahazoana maro an’isa. Manampy trotraka izany endrika ady saritaka fiadiana ho lohalisitra, izay saika hita amin’ny distrika sy faritra maro. Ireo depiote am-perin’asa mbola te hitazona mafy ny toerany, kanefa ny hafa ihany koa miezaka misosoka sy mitrongy, ny UPAR te handingana ny TGV,… Ny herinandro teo aza dia nisy mihitsy ny feo fa nalefa tany an-dapa mihitsy aloha ny lisitra ? Betsaka no mety handeha hanao kandida tsy miankina hifaninana amin’ilay kandida natolotry ny antoko rehefa voailika, izay heverina fa vao mainka hampalemy ny fitondrana. Azo lazaina ho valin’adin’ny fifidianana filoham-pirenena farany teo io ho an’ny fanoherana taorian’ny fifidianana filoham-pirenena tsy tena nandraisany anjara farany teo io ka andrasana ny fisehony. Marina ohatra fa nisy ny fivakisana teo amin’ireo kandida miisa 11 saingy ny hita dia samy mikofoka mafy mametraka paikady hakana maro an’isa eny amin’ny antenimiera.
Mikatsaka mafy ny haka maro an’isa ny volomboasary izay heveriny fa hanamafisana ny toerany. Raha mampahatsiahy tantara fotsiny, dia lany efa ho 99% ny Filoha Tsiranana ny faran’ny taona 1971 fa niongana ny may 1972 ; nitondra 21 taona ary nametraka fototra politika ary nahakolokolo ny tafika fa niongotra teo ihany ny Amiraly Ratsiraka ny 2001-20022; nitondra 7 taona ary nanana ny maro an’isa tamin’ireo andrim-panjakana i Marc Ravalomanana fa nirefotra ny 2009,…
Toky R
Tsy mahantra fa ampahantraina hatramin’izao ny malagasy, hoy ny mpikatroka eo
Tapa-taona aty aorian’ny fanapahana tao anatin’ny filankevitry ny minisitra ny septambra 2024
Fanamby amin’ny fahantrana ity fa tsy fanamby eo amin’ny isika samy isika, hoy ny
Politika ivelan’ny firenena no atao hoe diplaomasia, hoy ny antoko politika
Tena manao izay ho afany ireo mpiaro ny filoham-pirenena sy mpiaro izao fitondram-panjakana
Tsy miova ny fomba fijerin’i Madagasikara amin’ny fitakiana ireo Nosy ireo, dia ny famerenana »,