airtel

Politique

11-sept-2023

Fifidianana filoham-pirenena

13 no voatazona, mitohy ny kopisoroka…

Sample post image

Navoakan’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana ny takarivan’ny sabotsy 09 septambra 2023

11-sept-2023

teo ny lisir’ireo kandida ambara fa nahafeno fepetra ho afaka hifaninna amin’ny fifidianana hatao eto amin’ny tanin’ny Repoblikan’I Madagasikara ny 09 novambra ho avy izao. 13 tamin’ireo 28 nandrotsaka antontan-taratasy no voatazona tao anatin’izany, izany hoe: 15 tsy nahafeno fepetra, izay efa nisy 4 nangataka ny hisintona ny firotsahany nialohan’ny fivoahan’ny lisitr’ireo izay voatazona. Ireto avy izy 13 ireo izay lehilahy avokoa: Ravalomanana Marc (Tiako I Madagasikara -TIM); Paraina Auguste (Tsara Tahafina -TT); Razafitsiandraofa Jean Brunelle (Antoko Politika Madio -APM); Randrianasoloniaiko Siteny (Fitambolagnela/IAD – PSD – RPSD Vaovao); Ratsietison Jean-Jacques (Fahefa-Mividy no Ilain’ny Malagasy); Andrianainarivelo Hajo Herivelona (Malagasy Miara Miainga-MMM); Raderanirina Sendrison (Fy-M); Razafinjoelina Tahina (Firaisankinan’ny Tia Tanindrazana-FTT); Rajaonarimampianina Hery (Hery Vaovao ho an’i Madagasikara -HVM); Raobelina Andry (Anjomara sy Rivo-Baovao -ARB); Ratsirahonana Lalaina (Antoko Fihavanantsika); Ratsiraka Roland (Malagasy Tonga Saina -MTS), ary Rajoelina Andry (Tanora malaGasy Vonona -TGV). Araka io lisitra io, dia anisan’ireo kandida nankoatoavin’ny HCC izany I Andry Rajoelina, na teo aza ny fitoriana samihafa napetrak’ireo kandida sasany azy satria nahatratra 5 izany, ka ny raharaha fitsipahana ny taratasy mikasika ny zom-pirenena ho tsy ara-dalàna noho ny efa fahaverezan’ny zom-pireneny, fandavana ny firotsahan-kofidiany noho ny tsy fanarahan-dalàna,… no anton’ny fitoriana tamin’ny ankampobeny, ary kandida sy antoko miisa 5 no samy nanao izany, dia ny Antoko TIM nanao fitoriana roa, niampy ny an’ny HVM, FTT, MMM,… saingy notsipahan’ny HCC avokoa izany rehetra izany. Toa manamafy hatrany ny mizana tsindrian’ila sy ny kopisoroka. Saika tamin’ny alalan’ny fampiasana ireo ekipa mpahay lalàna na “équipe juridique” avokoa no nametrahan’ireo kandida ny fitoriana, izany hoe: olona tena mahafehy ny didy aman-dalàna eto amin’ny tany sy ny Fanjakana, saingy voatsipaka ambava-fo hatrany. Mampanahy hatrany ny mety hisian’ny fanomezana tombodahiny an-dRajoelina, ka raha sanatria handeha ny halatra, hosoka, fanitsakitsahan-dalàna ao anatin’ny zotram-pifidianana, ka hisy ny fitoriana samihafa hataon’ireo kandida maro samihafa aoriana, dia ahiana hatrany ny tsy azo raisina sady tsy mitombina. Efa zava-misy iaraha-mahita ankehitriny ny sakantsakana, antsojay toy ny tsy fahafahan’ny kandida hafa mampiditra angidimby, fampiasana ny fahefam-panjakana ho amin’ny tombotsoa politika,… Raha ny feo nandeha teo aloha, dia hoe: hatao izay hahazoana azy fihodinana voalohany, saingy mandeha indray ny feo sy ny voalaza fa hafatra na toromarika miantefa amin’ireo solontenam-panjakana amin’ny hoe: hatao izay hampandresena any fihodinana faharoa amin’ny salan’isa 54% sao hiteraka rotaka ny fihodinana voalohany? Raha ny sary mitranga amin’izao dia ny 8 tamin’ireo kandida efa nanao fanambarana iraisana fa tsy ara-dalàna ny firotsahan-dRajoelina, dia samy voaray avokoa ny firotsahan-kofidiany ka mitombina ve ny hoe: hahazoan-dRajoelina 54% fihodinana faharoa raha hitambatra ireo ka madio ny fifidianana?
Toky R

 

Dans la même rubrique

23-mai-2025

Mbola vao volana mey isika izao, saingy zava-doza ny fahatapatapahan'ny herinaratra,

Card image cap
23-mai-2025

Miteraka resabe amin’izao fotoana izao ny raharaha mikasika ny ben’ny tanànan’i Talata Volonondry

Card image cap
23-mai-2025

pirenena intsony ny zava-bitan'ny governemanta!»

Card image cap
23-mai-2025

Misy zavatra hafahafa ihany amin’ny toe-draharaha politika eto amin’ny firenena tato ho ato izay.

Card image cap
23-mai-2025

Mitohy ny fihetsika hafahafa ataon'ny Filoham-pirenena izay tsapa sy tsikaritra

Card image cap
23-mai-2025

Nambara fa maro ny zavatra vita ao Nosy Be fa hapetraka ihany koa ny fanamby

Card image cap