airtel

Politique

10-mai-2022

Politique

Fifidianana filoham-pirenena Mora voarebireben’ny olom-baovao ny Malagasy

Sample post image

Manomboka mahoraka ankehitriny fa misy olom-baovao hipoitra tampoka indray eto rehefa tena ho raikitra ny fifidianana ny fifidianana filoham-pirenena.

10-mai-2022

Tsy arak’ilay vinavinain’ny maro hoe efa hita manao fitetezam-paritra sy midina ifotony matetika eto an-tanindrazana ankehitriny ireny izy io fa hiseho amin’ny fotoana tsy ampoizina kosa. Raha ny feo mandeha moa dia manomana ny fiverenany an-tanindrazana amin’ny fotoana heveriny fa mampety izany. Izany hoe mbola any am-pitan-dranomasina aloha ity kandida ity. Malaza ho tsy isan’ireo mpanao politika na koa mpanao politika tranainy amin’ilay sokajiana hatramin’izay hoe “dinozaoro”. Tsy isan’ireo vao misandratra na efa be mpahafantatra koa anefa fa raha akapoka indray mandeha izany ny filazana azy dia tena hafa mihitsy izy, raha ny fandokafana heno momba ity kandida maha be resaka sahady ity aloha. Toy ny efa mahazatra teto hatramin’izay izany dia mbola tsy miova toy ny any amin’ireo firenena afrikanina hafa taraiky rehetra ny politika hisarihana vahoaka eto amin’ity Madagasikara ity. Heverina tsinona fa mbola paikady mandaitra tsara aty Afrika io resaka olom-baovao io. Ny filoha teo aloha tato ho ato rehetra tsaroantsika fa nambara ho olom-baovao daholo. Marc Ravalomanana, sady bogosy no mpanana, hoy ny hikiakan’ireo mpanaradia azy ny taona 2001. Vaovao sy mbola tanora ary mavitrika koa, hono, ny filoham-pirenena ankehitriny, Andry Rajoelina. Mila olom-baovao I Gasikara, hoy ny hiran’I Jerry Marcos, nanondro ny kandida Hery Rajaonarimampianina nandritry ny praopagandy tamin’ny fotoan’andro. Nanakory anefa ny firenena? Miara-mahita ny rehetra ankehitriny saingy dia io sarihana amina olom-baovao hatrany io indray aloha ny tia vao sy ny malagasy malaza ho mora manadino rehetra. Ho hita eo raha mba efa hiova na tsia ny Malagasy hifidy filoham-pirenena.

J. Mirija
 

 

Dans la même rubrique

30-avril-2024

Mbola afaka milatsaka ambanin'izao ve i Madagasikara, hoy ny minisitry ny fiarovam-pirenena fahiny, ny jeneraly Désiré Ramakavelo?

Card image cap
30-avril-2024

Lasa ohatrany tsy miraharaha intsony na «indifférent» amin’izao fotoana izao ny malagasy,

Card image cap
30-avril-2024

Malalaka be ny atao hoe raharaham-pirenena, hoy ny raiamandreny sady mpandalina ny

Card image cap
30-avril-2024

Niroso tamin’ny fanoratana taratasy miantefa amin'Andriamatoa Mohktar Benlamine, Solontenan'ny FMI monina eto Madagasikara sy Andriamatoa Fréderic Lambert,

Card image cap
30-avril-2024

Nandroso kabary tsara lahatra indray ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina tany amin’ny Fivoriamben’ny IDA

Card image cap
30-avril-2024

Tafapetraka ny mpikambana tsy maharitra ao amin'ny CENI ho an'ny kandidà laharana faha 6

Card image cap