airtel

Politique

16-févr-2023

Politique

Fifidianana Filoham-pirenena Nankatoavin’ny HCC ireo daty naroson’ny CENI

Sample post image

Ho raikitra ity ! Namoaka ny heviny ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana Malagasy na HCC ho setrin’ny fangatahana nalefan’ny CENI ny 9 febroary 2023 momba ireo daty volavolan’ity farany hanatanterahana ny

16-févr-2023

fifidianana Filoham-pirenena, dia ny alakamisy 9 novambra 2023 izay kasaina hanaovana ny fiodinana voalohany ary ny Alarobia 20 desambra 2023 kasaina hanatanterahana ny fiodinana faharoa. Tsy mifanohitra amin’ny lalampanorenana ireo volavola datim-pifidianana ireo araka ny hevitry ny HCC laharana faha 01-HCC/AV nivoaka omaly alarobia 15 febroary 2023. Nampahatsiahy ny heviny laharana faha 03-HCC/AV tamin’ny 9 mey 2006 ny HCC, fa tsy mihoa-pefy ny nanafohezana 20 andro ny fe-potoam-piasan’ny Filoham-pirenena, raha nirotsaka hofidiana indray ny filoha am-perinasa, noho ny fikatsahana ny tanjona araka ny lalàmpanorenana dia ny fampiasana ny zo hifidy, ny fanehoana ny fiandrianam-pirenena, ny fanajana ny demokrasia ary ny fiantohana ny fitoniana ara-politika ; ka amin’izao tranga izao, hoy ny HCC ny fanafohezana 10 andro ny fe-potoam-piasan’ny Filoham-pirenena am-perinasa dia tsy midika ho fepetra tsy mifandanja na tafahoatra. Nandritra ny valandresaka tamin'ny mpanao gazety nataony ny zoma 10 febroary 2023 moa no nampahafantaran’ny CENI ireo daty novolavolainy hanatanterahana ny fifidianana Filoham-pirenena ireo. Any amin’ny Governemanta izany izao ny baolina, hamoahany didim-panjakana manaika ny mpifidy araka ireo daty voafaritra ireo sy ny hoenti-manana amin’izany. Maro ireo antoko sy vondrona politika mitaky ny hamoahan’ny CENI ny daty hanatanterahana ny fifidianana Ben’ny tanàna sy mpanolontsaina. Ireto farany izay ho tapitra amin’ny janoary 2024 ihany koa ny fe-potoam-piasany. Eo ampiandrasana izany dia mbola azon’ny olompirenena atao ny manatona ny Fokontany ahafahany misoratra anarana ao anatin’ny lisitry ny mpifidy hatramin’ny 31 mey 2023.
Jean D.
 

Dans la même rubrique

23-mai-2025

Mbola vao volana mey isika izao, saingy zava-doza ny fahatapatapahan'ny herinaratra,

Card image cap
23-mai-2025

Miteraka resabe amin’izao fotoana izao ny raharaha mikasika ny ben’ny tanànan’i Talata Volonondry

Card image cap
23-mai-2025

pirenena intsony ny zava-bitan'ny governemanta!»

Card image cap
23-mai-2025

Misy zavatra hafahafa ihany amin’ny toe-draharaha politika eto amin’ny firenena tato ho ato izay.

Card image cap
23-mai-2025

Mitohy ny fihetsika hafahafa ataon'ny Filoham-pirenena izay tsapa sy tsikaritra

Card image cap
23-mai-2025

Nambara fa maro ny zavatra vita ao Nosy Be fa hapetraka ihany koa ny fanamby

Card image cap