ampiasain’ny Vaomiera mahaleotena misahana ny fifidianana na CENI. Voalaza tamin’izany fa fara faha keliny hatrany amin’ny 300.000 isa any ho any ny isana mpifidy ho very anatin’izany. Iny tokoa ary fa nitabataba sy nitroatra, 1 andro nialohan’ny namoahana ny vokatra vonjimaikan’ny CENI tetsy Alarobia, ny kandida laharana faha 13, Siteny Randrianasoloniaiko, sy ny ekipany fa nahita fa tsy mitovy ny fampitahana ireo raki-tsoratra na PV eo am-pelan-tanan’izy ireo sy ny an’ny CENI. Hatrany am-pamoahana vokatra mbola miseho ihany ny sabotsy teo fa fifidianana kitoatoa no tontosa teto amin’ny firenena tamin’iny 16 novambra iny. Elanelam-batona mpifidy manodidina ny 29.000 isa eo no niseho teny amin’ny fafana, ohatra, fa samy 6,67%. Hita izany tamin’ny vato azon’ny kandida ho filoham-pirenena Rajaonarimampianina Hery izay voalaza fa nahazo vato miisa 40.537 sy Ratsietison Jean Jacques izay nahazo vato miisa 1845 monja. Samy nambara ho nahazo salan’isa 6,67% nefa izy mirahalahy ireo tao Mahajanga na dia toy io aza ny elanelam-bato voalaza. Isan’ny hita ho nireharehan’ny pejin’ny kandida laharana faha 3, izay voalaza ho lany fiodinana voalohany tao anatin’ity fifidianana filoham-pirenena “mbola tsy nisy tao anatin’ny 60 taona” ity anefa izany rehetra izany.
J. Mirija
Mbola vao volana mey isika izao, saingy zava-doza ny fahatapatapahan'ny herinaratra,
Miteraka resabe amin’izao fotoana izao ny raharaha mikasika ny ben’ny tanànan’i Talata Volonondry
Misy zavatra hafahafa ihany amin’ny toe-draharaha politika eto amin’ny firenena tato ho ato izay.
Mitohy ny fihetsika hafahafa ataon'ny Filoham-pirenena izay tsapa sy tsikaritra
Nambara fa maro ny zavatra vita ao Nosy Be fa hapetraka ihany koa ny fanamby