Mbola baraingo anefa ny lafin-javatra rehetra. Tsy milamina ny toe-draharaha politika, tsy mahatoky ny rafitra samihafa ny avy amin’ny ankolafy mpanohitra, ary toa vao mainka nahazo vahana teo anatrehan’ny filazan’ny Vondrona Eoropeanina fa miteraka tsy faharisiana sy fitokisan’ny olona ny maha akaiky ny Filoha ankehitriny ny Filohan’ny CENI na ny vaomiera misahana ny fifidianana sy ny Filohan’ny HCC na ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana izay hitsara ny fifidianana Filoham-pirenena. Toa samy hendratrendratra ihany ny Filohan’ireo rafitra ireo, fa fifidianana tsy mbola mandeha dia efa ny ahiahy no lasa aloha, tao anatin’ny fanarahan-dalàna no nahatongana teo,... Ny Filohan’ny HCC aza moa vao tsy ela no naneho, fa tsy mila vondrona vahiny na sehatra iraisam-pirenena hitsikilo sy hibaikobaiko, fa raha hitondra fanampiana dia raisina an-tanan-droa. Ankehitriny, tsy marin-toerana ny fikarakarana fifidianana, ka ankoatra ny lafiny politika, olana be ihany koa ny hoenti-manana. Na nilaza aza ny Minisitry ny atitany ny 23 aogositra fa niomana ara-bola ny Fanjakana, ary tsy manakana ny fiaraha-miasa amin’ny any ivelany, dia porofo goavana amin’ny olana ara-bola ny resaka tsy fahampiam-pitaovana hoenti-manisa mpifidy ao anatin’ilay fanaovaozana tanteraka ny lisi-pifidianana. Fokontany manodidina ny 20 000 no misy eto kanefa “tablette” 5000 no hoenti-miasa. Mitombona sy manara-penitra ve izany? Ny eo anivon’ny CENI ihany koa toa efa naneho fa mbola tsy voafaritra akory ny tetibola hoenti-miatrika fifidianana. Asa izay ho fivoakany ao anatin’ny lalàna mifehy ny tetibolam-panjakana 2023. Ny sehatra iraisam-pirenena miahiahy, tahaka ny Vondrona Eoropeanina izay nilaza mahitsy fa mbola tsy misy sora-bola mazava avy amin’izy ireo hanohanana ny fifidianana, miandry ny fanatanterahana ireo fanintsiana na “recommendation” niainga tamin’ny fanarahany maso ny fifidianana 2018: lalàna, famerana ny tetibola ampiasain’ny kandida,… Ny famatsiam-bola ho an’ny Firaisamonim-pirenena sy ny mpanao gazety no voaresaka, mba ho antoka amin’ny dingana maneho fa mangarahara sy azo antoka ny fifidianana. Mifototra betsaka amin’ny fanabeazana ny olom-pirenena. Hanao ahoana marina izany ny ho fizotry ny fifidianana ? Tena ho vitantsika amin’ny volantsika madiodio ka hailika an-tsisin-tosy ny adihevitra ara-politika sy jeopolitika samihafa hidiran’ny sehatra iraisam-pirenena ? Hisy fifidianana handeha amin’izao endriky ny rafitra misahana azy izao ve ka handraisan’ny rehetra anjara ?
Toky R
Mbola vao volana mey isika izao, saingy zava-doza ny fahatapatapahan'ny herinaratra,
Miteraka resabe amin’izao fotoana izao ny raharaha mikasika ny ben’ny tanànan’i Talata Volonondry
Misy zavatra hafahafa ihany amin’ny toe-draharaha politika eto amin’ny firenena tato ho ato izay.
Mitohy ny fihetsika hafahafa ataon'ny Filoham-pirenena izay tsapa sy tsikaritra
Nambara fa maro ny zavatra vita ao Nosy Be fa hapetraka ihany koa ny fanamby