airtel

Politique

18-mars-2024

Fifidianana solombavambahoaka

Ireo tsara ho fantatra sy ny antontan-taratasy ilaina

Sample post image

Ho tanterahina ny 29 mey 2024 ho avy izao manomboka amin'ny 06 ora

18-mars-2024

maraina ka hatramin'ny 5ora hariva, ny fifidianana solombavambahoaka eto Madagasikara . Tsy maintsy feno 18 taona, Malagasy, tsy mbola nisazy, mahaloa hetra, hita ao anaty lisitry ny mpifidy, nahaloa 20 000 000 ariary anto-bola firotsahana, miverina io vola io raha mahazo 10% n'ny vato manan-kery ny kandida iray.
ARAKARAKY NY ISAN’NY MPONINA
Raha toerana iray ihany no anjaran'ilay Distrika, fari-pifididianana, izany hoe misy mponina latsaky ny 310 000, dia olona iray no atolotra, manome ny olona mpisolo-toerana kosa, sanatria misy ny tsy fahafahana manohy ny asa, na maty, na voatendry amin'ny toerana tsy ahafahany misahana ilay andraikitra, no sady Solombavambahoaka, ohatra voatendry ho minisitra. Raha toerana roa kosa no iadiana, dia lisitra no atolotra, ka samy misy mpisolo toerana avokoa ireo roa anaty lisitra.
ATERINA ENY AMIN’NY DISTRIKA NY DOSIE
Manomboka ny alarobia 27 martsa 2024 amin'ny 9 ora maraina ka hatramin'ny alatsinainy 08 aprily 2024 amin'ny 5 ora hariva ny fanaterarana ny antontan-taratasy filatsahan-kofidiana, eny amin’ny Sampan-draharaha mandray ny dosie filatsahana eo anivon'ny Distrika. Afaka mirotsaka na amin'ny alalan'ny antoko politika, izay manome taratasy fanendrena, na tsy miankina, indépendant. Tsy maintsy mahazo fanamarinam-pandraisana ny dosie. Tsy azo sintonina intsony ny firotsahana aorian'ny daty farany fikatonan'ny fandraisana firotsahana.
IREO ANTONTAN-TARATASY ILAINA
Tafiditra ao anatin’ny antontan-taratasy tsy maintsy ananan’izay ho kandida ny Fanambarana firotsahan-kofidiana, sonia voamarina, eny amin'ny Distrika. Fanambarana fiarahana hilatsaka ho fidiana, ho an'ireo distrika misy toerana roa no ho fidiana , Soram-piankohonana lava, na karapanondro voamarina, Fanamarinana maha Malagasy latsaky ny 6 volana, alaina eny anivon'ny fitsarana , Fanamarinana fa mbola tsy nisazy ( Bulletin N3) alaina eny amin'ny fitsarana nisy ny toerana nahaterahana, matetika eo amin'ny renivohitry ny Distrika io, na Faritany. Ilaina ihany koa ny dika mitovy amin’ny kara-pifidianana, na fanamarinana fa ao anaty lisitry ny mpifidy.Mila fanamarinana fa nahaloa hetra nandritra ny telo taona farany, ho an'ireo tantsaha na mpiasa dia manatona hatrany ny sampan-draharahan'ny hetra .
TSY VOATERY AO AMIN’ILAY DISTRIKA ONENANA NO KANDIDA
Mazava ho azy fa mila Fanamarinam-ponenana (Fokontany), afaka milatsaka na aiza na aiza ny fonenana, na tsy ao anatin'ilay distrika ilatsahana aza . Izany hoe mety mipetraka any Toamasina II ianao kanefa kandida solombavambahoaka ao Toamasina I. Mila ny Fanambaran'ireo mpisolo toerana ary manao dosie toy ny loha lisitra ireo kandida laharana faharoa, sy ireo mpisolo toerana rehetra, satria mety ho izy izany no handimby toerana raha tsy afaka manohy asa ilay voalohany . Takiana ihany koa ny taratasy faneken'ireo mpîsolo toerana , Fanambarana fanekena ny hanaja ny mangarahara amin'ny fitantanam-bolan'ny propagandy, sy ny fanaovana tatitra momba izany . Taratasy fanendren'ny antoko politika, na vondron'antoko politika mijoro ara-dalàna, raha kandida n'antoko politika . Taratasy fanamarinana nandoavana ny anto-bola 20 000 000 ariary . Ny Matrice na « support électronique » ahitana ny sary, na faneva na anaran'ny kandida atao amin'ny bileta, jereo site CENI fa misy modely, ny habeny. Dika mitovy ny fanambaram-pananana ho an'izay voakasik'izay. Ireo rehetra ireo dia atao dika mitovy 3 avy, ary arahana lisitry ny antonta-taratasy ao anaty dosie. Ny sampan-draharaha rehetra voakasik'ireo dia mandamina ny ora fisokafany mba ahafahan'ny rehetra manao izay taratasy izay, na amin'ny andro tsy fiasana, na tondroana tsy hiasana fa andraisana karama aza. 18 aprily 2024 no avoakan'ny CENI ny lisitr'ireo mpifidy voatana, miaraka amin'ny sary sy fanevany, ka mampita izany any amin'ny HCC.

Manomboka ny alarobia 08 mey 2024 amin'ny 06 ora maraina ka hatramin'ny alatsinainy 27 mey 2024 amin'ny 12ora alina. Mitsahatra indray andro mialoha talata 28 mey 2024 amin'ny 06ora maraina, sy mandritra ny fifidianana izay atao ny alarobia 29 mey 2024 ny fivarotana zava-pisotro misy alikaola mmanerana ny tanin’ny repoblikan’i Madagasikara.
Nangonin’i RTT
 

Dans la même rubrique

16-mai-2024

Hiakatra eo anivon’ny PAC na «Pole anti-corruption», izany hoe ny fitsarana miady amin’ny kolikoly,

Card image cap
16-mai-2024

𝖭𝗈𝖿𝖺𝗋𝖺𝗇𝖺𝗇𝖺 androany 𝟣𝟧 𝗆𝖾𝗒 𝗋𝖾𝗃𝗂𝗌𝗂-𝗉𝗂𝖿𝗂𝖽𝗂𝖺𝗇𝖺𝗇𝖺 𝗇𝖺𝗌𝗂𝗈𝗇𝖺𝗅𝗒 𝖺𝗁𝗂𝗍𝖺𝗇𝖺 𝗂𝗋𝖾𝗈 𝗅𝗂𝗌𝗂𝗍𝗋𝗒 𝗇𝗒 𝗆𝗉𝗂𝖿𝗂𝖽𝗒 𝗂𝗌𝖺𝗄𝗒 𝗇𝗒 𝖽𝗂𝗌𝗍𝗋𝗂𝗄𝖺.

Card image cap
16-mai-2024

Izany tambin-karama izany dia misy any amin’ny orinasa tsy miankina sy orinasam-panjakana,

Card image cap
16-mai-2024

Nanomboka ny alarobia 08 may ary mifarana ny alatsinainy 27 mai 2024 amin'ny sasakalina ny fampielezan-kevitra.

Card image cap
16-mai-2024

Raikitra ny tosika propagandy ankolaka ataon’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina amin’ny alalan’ny fitetezam-paritra sy fanolorana zavatra.

Card image cap
16-mai-2024

Mitaky tany tan-dalàna sy ny demokrasia ary ny fanjakana tsara tantana ny fampandrosoa na firenena izany,

Card image cap