Andriamatoa Prithvirajsing Roopun. Isan'ireo Filoham-panjakana hanatrika ny fihanianan'Atoa Andry Rajoelina rahampitso 16 novambra. Ny Praiminisitra, Lehiben'ny Governemanta, Ntsay Christian no nitsena ireo delegasiona niaraka taminy teny amin’ny Seranam-piaramanidina Ivato. Hita teny an-toerana ihany koa ny Minisitry ny Raharaham-bahiny sy ny Minisitry ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana arak'Asa. Raha tsiahivina dia i Maorisy no firenena voalohany notsidihin’i Andry Rajoelina tamin’ny 2019 vao tafapetraka ho Filoha izy. Nialohan’io dia nisy ihany koa ny delegasionina sinoa tonga. Ny Lefitry ny Filohan'ny Komitim-pirenena faha-14 n'ny "Conférence Consultative Politique du Peuple Chinois", Andriamatoa Hu Chunhua, no iraka manokan'ny Filohan'ny Repoblika entim-bahoakan'i Chine, Xi Jinping, mandritra ny lanonam-pitsarana hanaovan'ny Filoham-pirenena fihanianana, hoy ny tatitry ny governemanta Malagasy. Nandray an'ireo delegasiona notarihiny teny amin'ny seranam-piaramanidina Ivato ny Praiminisitra Ntsay Christian omaly tolakandro.
Nangonin’i Toky R
hahantra fadiranovana sy tsy handroso izany fa tena miankina amin’ny safidy sy fanapahan-kevitra
Manoloana izao fahasahiranam-be mahazo ny firenena sy ny vahoaka izao,
Mena ny tondro rehetra ary ambony risika mety hisian’ny fipoahana ara-politika eto vokatry ny krizy amin’ny
Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy tao amin’ny foiben’ny Dubaï Chambers ny
Miantoka ny fandehanan’ny fiainan’ny mponina eny ifotony ny
Nanatanteraka fitsidihana ara-pomba ofisialy tao amin’ny tanànan’i Morondava ny