hoy izy tsy nitarika korontana fa andeha hamonjy ny efitrano malalaka izay efa nomanina ho amin'izany, kanefa dia voasakana tsy mahazo mandeha .Mialohan’io dia efa voasakana raha hihaona amin’ireo mpiara-dia aminy ihany koa i Hajo Andrianainarivelo (MMM) . Tahaka izany ihany koa ny kandida Marc Ravalomanana izay voasakana matetika, ka nandefa ny fitarainana sary tany amin’ireo masoivoho samihafa sy sehatra iraisam-pirenena.
TAHOTRA SA HARATSIAM-PANAHY
Ary vao ny zoma 12 aogositra lasa teo tany Fianarantsoa no niharan’ny don-tandroka tahaka izany ihany koa i Tahina Razafinjoelina sy ny Firaisankinan’ny Tia Tanindrazana.Nahavita fangatahana an-taratasy ara-dalàna izy ireo raha nikasa ny hihaona amin’ireo mpiara-dia aminy kanefa dia nolavina izany ary na dia efa tamina toerana mihidy sy mifefy tsara ary ana tsy miankina aza no nanaovana ny fihaonana dia mbola nanaovana don-tandrona nandefasana mpitandro filaminana ihany. Tena ilay zo fototra afaka mivory ao anatin’ny lalampanorenana mihitsy no voatohintohina ary tsy rariny izany hoy ireo mpanao politika tsy avela mihoana amin’ny vahoaka ireto.Matahotra ve ny fanjakana sa tena faharatsiam-panahy tsotra izao ilay izy ?
Legende : Efa tena niomana ry zareo FTT tao Fianarantsoa kanefa voatery nanova programa noho ny sakantsakana
RTT
hahantra fadiranovana sy tsy handroso izany fa tena miankina amin’ny safidy sy fanapahan-kevitra
Manoloana izao fahasahiranam-be mahazo ny firenena sy ny vahoaka izao,
Mena ny tondro rehetra ary ambony risika mety hisian’ny fipoahana ara-politika eto vokatry ny krizy amin’ny
Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy tao amin’ny foiben’ny Dubaï Chambers ny
Miantoka ny fandehanan’ny fiainan’ny mponina eny ifotony ny
Nanatanteraka fitsidihana ara-pomba ofisialy tao amin’ny tanànan’i Morondava ny