airtel

Politique

31-mars-2023

Politique

Fikambanana FIMAR “Mila sorohana ny fanonganam-panjakana!”

Sample post image

Malalaka amin’ny akanjo tiany hanaovana ny olona rehetra ary malalaka koa amin’ny firehana tiany, hoy ny Fikambanan’ny mpitolona miaraka amin’i Andry Rajoelina na FIMAR.

31-mars-2023

Tsy ana antoko politika ihany, hoy ny filohan’izy ireo, Tarzan Ndremitsara, ny loko volomboasary. Efa tsy fotoanan’ny fankahalana be fahatany intsony izao hoe ny filoham-pirenena no tsy tianao dia hatramin’ny loko volomboasary koa hankahalainao. Efa taonjato faha 21 isika. Hevitra no miady amin’ny politika fa tsy olona. Taorian’iny moa nisy ilay horonam-peo niparitaka hoe antso nifanaovan’ny filoham-pirenena tamina tomponandraikitra iray hoe nanomezany baiko hitadiavana olona hanao fiaikena na “aveu” fa nirahana hanao ireny tranga ireny. Saropady izany resakana filoham-pirenena izany. Tsy tokony hivoaka. Efa nisy fandikan-dalàna izany aloha tao. Faharoa, mbola misy finiavana hanakorontana toy ny tamin’ilay resaka akanjo teo ihany izany tao. Tokony hisokatra ny fanadihadiana dia mandray ny andraikiny ny fitondram-panjakana. Tokony ho isan’ny tsiambaratelom-panjakana izany resaka ifanaovana amin’ny filoham-pirenena izany. Ao anatin’ny fiandrianam-pirenena izany. Matoa niparitaka izany dia nisy olona nanaparitaka azy tao an-tenatenany tao. Inona no tanjony? Tsy fotoanan’ny fanakorontanana intsony izao. Efa anaty fotoana fanatanterahana fifidianana isika. Ohatrany mahagaga ilay fifandrifian-javatra hoe akaiky ny fifidianana dia mivoaka ireny zavatra ireny na misy olona manao akanjo volomboasary dia niharan’ny herisetra. Tsy maintsy fifidianana no lalana hivoahantsika amin’ny krizy. Iaraha-mahalala fa misy krizy eto ary miverimberina na “cyclique”. Mila sorohana, noho izany, hoy hatrany ny FIMAR, ny fanonganam-panjakana ary izay no zava-dehibe.
J. Mirija
Legende: Ny filohan’ny FIMAR
 

Dans la même rubrique

23-mai-2025

Mbola vao volana mey isika izao, saingy zava-doza ny fahatapatapahan'ny herinaratra,

Card image cap
23-mai-2025

Miteraka resabe amin’izao fotoana izao ny raharaha mikasika ny ben’ny tanànan’i Talata Volonondry

Card image cap
23-mai-2025

pirenena intsony ny zava-bitan'ny governemanta!»

Card image cap
23-mai-2025

Misy zavatra hafahafa ihany amin’ny toe-draharaha politika eto amin’ny firenena tato ho ato izay.

Card image cap
23-mai-2025

Mitohy ny fihetsika hafahafa ataon'ny Filoham-pirenena izay tsapa sy tsikaritra

Card image cap
23-mai-2025

Nambara fa maro ny zavatra vita ao Nosy Be fa hapetraka ihany koa ny fanamby

Card image cap